♦ Namoaka fanambarana manoloana ny fivoahan'ny horonam-peo ahenoana resaka mampieritreritra sy ny anaran'ny Minisitry ny Fitsarana, ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara... ♦ Misy andro ratsy ahiana indray any amin'ny Ranomasimbe Indianina. Tombanana hivadika ho rivodoza izy io manomboka ny alahady izao, hoy ny eo anivon'ny Météo Madagasikara... ♦ Nisy andiana mpanakanto nivory androany, teny Anosy, manoloana ilay raharaha eo anivon'ny OMDA. Mitaky ny hanatsarana ny fitantanana eo anivon'ity Ofisy malagasy miahy ny zon'ny mpamorona ity, izy ireo...

♦ Tafakatra ho 92 ny isan'ny maty vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai, farany teo. Tarehimarika ôfisialy navoakan'ny BNGRC... ♦ Tsy azo ekena intsony, hoy Andriamatoa Razafimahefa Herimanana, Filohan'ny Antenimieran-doholona, ny fanotofana tsy am-piheverana ny faritra iva, toy ny misy ao an-drenivohitra ao... ♦ Mikarakara fikaonan-doha noho ny fidangan'ny vidim-piainana ankehitriny ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa, PMH...

♦ Tanora Malagasy miisa roa arivo, eo anelanelan'ny 15 hatramin'ny 24 taona no hisitra mivantana ny tetik'asan'ny Don Bosco Madagasikara, izay iarahany amin'ny mpiara-miombona antoka isan-tsokajiny... ♦ Mampanahy ny fiantraikan'ny fampiasana ny tambazotran-tserasera eto Madagasikara... ♦ Efa miverina amin'ny laoniny nanomboka androany ny fitaterana amin'ny Lalam-pirenena fahafito...

♦ Hampifandraisina sy hampifamenoana ny fanofanana arak'asa sy ny fandaharana vokarina amin'ny onjam-peo eto amin'ny RDB, Tanjona ny hanampiana ny tanora, sehatra iandraiketan'ny fikambanana Saleziana... ♦ Miantso ny rehetra hifankatia, hifanampy, ary hifanaja manoloana ny voina mahazo ny mpiray tanindrazana ny evekan'ny Diosezin'i Farafangana... ♦ Nankasitrahan'ny filohan'ny repoblika ny fahendren'ny mpianatra any amin'ny Oniversiten'Andrainjato, ka handray vatsim-pianarana fanampiny, raha vao mahazo ilay carte bancaire...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...