♦ Nihaiky ny fahadisoany tsy nandray andraikitra teto amin'ny firenena hatramin'izay, ireo mpiasam-panjakana ambony eto amintsika, ary nilaza fa vonona ny hanarina ny firenena raha misy ny andraikitra homena azy ireo... ♦ Tsy tanteraka indray ny fangatahana fivoriana mikaton-trano faharoa, nokasain'ny Solombavam-bahoaka sasany natao androany... ♦ Mpamboly vary manodidina ny 1200 no hisitraka ny toha-drano lehibe vao navaozina any Sahabe, Amparafaravola. Notokanan'ny Filohan'ny Repoblika androany izany toha-drano izany...

♦ Kendren'ny vondrona Panorama hatolotra ireo Parlemanta mpanao lalàna amin'izao fivorian'izy ireo izao ilay volavolan-dalàna momba ny "code électorale unique". Ho vita amin'ity taona ity ihany koa, hoy ity vondrona ity, ilay fikaonandoham-pirenena hanomanana amin'ny 2023... ♦ Hovaina ny fomba fandoavana ny volan'ny mpisotro ronono amin'ny fanjakàna. Hampiasaina ilay E-poketra eo anivon'ny Paositra malagasy... ♦ Raim-pianakaviana iray no nampidirina am-ponja vonjimaika any Miarinarivo, noho ny nanambadiany ny zanany vavy. Tsy nisy sahy nitory ilay raim-pianakaviana ireo mpiray tanàna aminy, any Andrangy, Soavinandriana-Itasy, tao anatin'ny 12 taona nisian'ity tranga ity...

♦ Nahazo fiara avy amin'ny filoham-pirenena ny Vovonam-pirenena katôlikan'ny tanora, hanomanana ny JMJ Mada andiany faha-10 hotanterahina any Antsirabe. Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy omaly ilay fiara... ♦ Handalo fankatoavana tsy ho ela eny amin'ny antenimieram-pirenena ny findramam-bola hanatanterahana ny tetik'asa PRIRTIM1. Heverina fa hahafoana tanteraka ny fahatapahan-jiro matetika ho an'Antananarivo sy ny manodidina ny fahatanterahan'izany... ♦ Mbola hanohy ny fanakatonana ny Anjerimanontolo eny Ankatso ireo mpiasa sy mpandraharahan'ny Oniversité, noho ny tsy fandraisana karama. Tsy nahafa-po azy ireo ny vahaolana nentin'ny Ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony...

♦ Nahazo fiara tsy mataho-dalana vaovao avy amin'ny Filohan'ny Repoblika, ny mpikarakara ny JMJ Mada-10, hanamaivanana ny fanomanana rehetra... ♦ Ho foana tanteraka ny tondra-drano ao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, rehefa vita ny fanadiovana sy ny fanitarana ireo lakan-drano mamoaka ny rano... ♦ Mbola nanohy ny fanakatonana ny Oniversite eny Ankatso androany, ireo mpiasa sy mpandraharahan'ny oniversite ao anatin'ny sendikan'ny SPATUT, manampy trotraka ny hetsiky ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...