♦ Sambany teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, tafakatra hiatrika ny dingana famaranana amin'ny CHAN 2022 ny Barean'i Madagasikara... ♦ Naneho ny fanohanany ny Maki Vehivavy androany, ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, mialoha ny handehanan'izy ireo hiatrika ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany any Capetown... ♦ Ho tratra tsy ho ela ny fahavitan-tena ara-bary, raha samy mampihatra ny teknika fambolena nohatsaraina amin'ny voly vary, ireo faritra mpamoka-bary. Hampiroborobo ny fambolena ny vary safiotra amin'ny faritra 16 ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny STOI...
♦ Entintsika eto indray ny akon'ny andro fahatelon'ny JMJ any Antsirabe, ho an'ny tapany maraina teo. Lalan'ny Hazofijalina eny amin'ny Gara no hatrehan'ireo tanora mpivahiny, anio tolakandro... ♦ Atahorana hiitatra amin'ny faritra hafa ny fitakiana fitsaram-bahoaka eto amintsika, hoy ny Filohan'ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy, manoloana ilay raharaha tany Ikongo. Mila jerena hatrany iofotony, hoy izy, ny antony nahatonga ireny tranga ireny... ♦ Hiatrika lalao farany mety hahatafakarana any amin'ny CHAN 2022 ny Barea anio tolakandro. Lalao miverina hifanandrinana amin'i Botswana eny Mahamasina...
♦ Miditra amin'ny andro fahatelo anio, ny JMJ Mada X tanterahana any Antsirabe, hitohy ny fandalinam-pionana hatrehan'ireo tanora mpivahiny... ♦ Namoaka fanambarana noho ilay raharaha tany Ikongo ny FFKM omaly. Mangataka ny hisian'ny fisaonam-pirenena ihany koa ny RMDM manoloana iny zava-nitranga iny... ♦ Nitokona indray omaly ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo. Nidina an-dalambe teny Ankatso izy ireo ka voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana...
♦ Fandalinam-pinoana sy fanentanana ho an'ny fiarovana ny tontolo iainana, ary hetsika ara-kolontsaina no nanohizana ny JMJ any Antsirabe androany... ♦ Namoaka fananmbarana, manoloana ilay raharaha namoizana ain'olona tany Ikongo sy tany Ambolotarakely Ankazobe ny FFKM androany. Mangataka ny hisian'ny fisonam-pirenena kosa ny RMDM, nanoloana io zava-nisy tany Ikongo io... ♦ Nitokona sy nidina an-dalambe teny Ankatsoa indray androany ireo mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo, nitakiana vatsim-pianarana mbola tsy voaloa. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco