♦ Nanao fanambaràna iombonana ny mpisehatra rehetra eo anivon'ny ministeran'ny fahasalamambahoaka. Nilaza izy ireo fa olom-baovao no tokony ho tendrena hitantana ny ministera... ♦ Nankalazaina androany ny andro maneran-tany ho an'ny toetry ny andro, izay mifanindran-dalàna amin'ny fankalazàna ny faha-125 taona nijoroan'ny foibe famantarana ny toetry ny andro Malagasy... ♦ Vary nafarana avy any ivelany, ahiana ho efa simba 6.000 gony no tra-tehaka tamina toeram-pitehirizan'entana iray an'ny mpandraharaha vahiny teny Tanjombato... ♦ Miakatra hatrany amin'ny 30% ny vidin-tsolika maneran-tany, vokatry ny ady any Iran...

♦ Efa mandray ny asany ny Lehiben'ny Faritra Fitovinany Razafitsiandraofa Jean Brunelle... ♦ Mbola misy sy mijoro ny Antoko AREMa na dia tsy eo amin'ny fitondrana intsony aza, hoy ireo mpikambana nandritra ny fankalazàna ny faha-50 taonan'ny antoko... ♦ Nisitraka fiofanana avy amin'ny biraom-pirenena misahana ny ady amin'ny famarinana olona ireo Sefo Fokontany... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-88 taonany, androany 23 marsa, ny Praiministra frantsay taloha Lionel Jospin...

♦ Nahoraka tao anatin'n faran'ny herinandro teo ny ampamoaka teny amin'ny tambajotran-tserasera ka voatonontonona tamin'izany ny anaran'ireo tompon'andraikitra ambony... ♦ Hiroso amin'ny fivoriana sy fikarakaràna ny fifidianana izay ho solontenany ao amin'ny CENI, anio, ny fiaraha-monim-pirenena sy ny CTOJM... ♦ Noraisina tamin'ny fomba ôfisialy ny sabotsy teo ny ampahany amin'ny fiantsonana ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina. Nitarika izany ny Filohan'ny Fanavaozana Randrianirina Michaël... ♦ Miha henjana hatrany ny fifandrahonana eo amin'ny Téhéran sy Washington...

♦ Mitaky ny hamerenana ny fifidianana tany Amparafaravola ny kandidà ben'ny tanàna sady filohan'ny KMT, Kômity Miaro ny Tolona any an-toerana... ♦ Tsy hisy hahazo tombontsoa amin'ny hisian'ny korontana sy krizy pôlitika intsony eto Madagasikara hoy ny antoko RPMU, vondron'ny tia tanindrazana Malagasy tafaray... ♦ Hampiantrano ny andiany voalohany amin'ny kongresy momba ny nify aty amin'ny Ranomasimbe Indiana (C.D.O.I) i Madagasikara ny 30-31 oktobra ho avy izao... ♦ Hampihena tsikelikely ny fanafihana an'i Iran i Etazonia, raha ny nambaran'ny filoha Amerikana Donald Trump, tamin'ny tambazotra Truth...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...