♦ Nihemotra indray ny fanenjehana ireo mpitondra ambony teo aloha eo anivon'ny Haute Cour de Justice. Anarana minisitra teo aloha 12 no notononina teny Tsimbazaza fa naharaisana antontan-taratasy fanenjehana, ka tokony natolotra ny Fitsarana Ambony... ♦ Teratany Srilankais iray indray no tra-tehaka tetsy Ivato, rehefa saika hitondra vato sarobidy ho any ivelany. Tratra tany anaty fitombenany ireo vato sarobidy tanaty fonosana maromaro... ♦ Mponina mihoatra ny 2 alina sy 4 hetsy sy 3 tapitrisa no hisitraka rano fisotro madio sy fotodrafitr'asa fanadiovana, anatin'ny tetikasa PAAEP...

♦ Miezaka misoroka ny tsy hisian'ny korontana eto Madagasikara ny vondrona afrikana, ka mampiantso ireo mpisehatra voakasik'izany mifanakalo hevitra amin'ny alalan'ny atrik'asa mandritra ny roa andro hifarana anio... ♦ Nambaran'ny filohan'ny fikambanana ZaViavy Miray Hina fa mila apetraka eto amintsika ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Mivangongo ampelan-tanan'ny olom-bitsy ny fahefana eto Madagasikara hoy izy... ♦ Hotanterahana eto Madagasikara ny 25 aogositra hatramin'ny 03 septambra 2023 ny lalaon'ny nosy andiany faha-11, araka ny tapaka nandritra ny fivorian'ny Filan-kevitra iraisam-pirenen'ny lalaon'ny nosy aty amin'ny Faritry ny ranomasimbe indiana. Tanàna dimy no hanaovana izany...

♦ Naneho ny heviny momba ilay fikasan'ny solombavambahoaka hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta farany teo ny vondrona afrikana. Tokony hajaina ny lalàna velona raha misy ny fifampitsabahana andraikitra eo amin'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka hoy Ramatoa Hawa Ahmed Youssouf... ♦ Nanomboka omaly, hitohy anio ny fikaonandoham-pirenena karakarain'ny Hetsika Iombonana ho an'ny Fanarenana sy Fanorenana Ifotony an'i Madagasikara... ♦ Hanatitra taratasy eny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ny Firaisan-kinan'ny Sekoly tsy miankina amin'ny finoana, taorian'ny nandanian'ny Antenimiera ilay volavolan-dalàna momba ny fanavaozana ny rafi-panabeazana...

♦ Miantso ireo andrim-panjakana hifanaraka tsara sy hahay hiara-miasa ny Vondrona Afrikana, nanoloana ilay raharaha teny amin'ny Antenimieram-pirenena. Hiteraka tsy fisian'ny fitoniana pôlitika ny tsy fifanarahan-kevitra, hoy ny solontenany eto amintsika... ♦ Niakatra fitsarana androany teny amin'ny PAC 67Ha, ilay raharaha fanondranana volamena 73,5 kilao tatsy Afrika Atsimo, roa taona aty aorian'ny nitrangany. Nahatratra 80 tany ho any ireo vavolombelona nohenoina tamin'ity raharaha ity...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...