♦ Nifarana androany ny fihaonambe dingana voalohany nataon'ny FFKM teto andrenivohitra. Miantso ny fampitsaharana ny fifampihantsiana izy ireo, hoy ny Filohany, ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi... ♦ Nahemotra iray andro ny famaranana vonjy maika ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Efa manomboka anefa ny fanontana printy ny lisitra mba ahafahan'ny olom-pirenena manamarina izany, eny amin'ny Fokontany, ao aorian'ny fikatonana vonjy maika... ♦ Nanambara androany, ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, fa tsy mbola nanakatona orinasan-tserasera sy nanagadra mpanao gazety ny mpitondra ankehitriny...

♦ Efa tonga eny amin'ny Fitsarana Annosy, hatramin'ny maraina teo, ny Filoha Tale Jeneralin'ny La Gazette de la Grande Île, hiatrika ny fampanoavana, noho ny fitorian'ny JIRAMA... ♦ Tsy misy ifandraisany amin'ny asa fanaovan-gazety aloha hatramin'izao, ny vesatra anenjehana an'i Lola Rasoamaharo, hoy ny fanambaran'ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara na ny OJM... ♦ Miantso ny rafitra mpanatanteraka hanaja ny fahafahana haneho hevitra, indrindra amin'izao vanim-potoana fanomanana ny fifidianana izao, ny antoko RDS, tarihin'Andriamatoa Rakoto Andrianirina Fetison...

♦ Hiakatra fampanoavana indray anio, ny Filoha Tale Jeneralin'ny La Gazette de la Grande Île, Lola Rasoamaharo. Nahoron'ny vadintany avokoa omaly ny entan'ity gazety ity, teny amin'ny foibeny teny Antanimena... ♦ Mbola misy tamin'ireo olana efa niainana tamin'ny taona 2013 no miverina sy nanaovan'ny teknisian'ny OIF fanamarihana. Natao omaly ny tatitra tamin'ny fitsirihana andiany voalohany nataon'ny OIF... ♦ Nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra omaly, ny fanafoanana ireo fepetra nampiatoana ny fanondranana volamena...

♦ Misy vola mivezivezy hikasana hividianana vato amin'ny fifidianana, na "fond vautour", eto Madagasikara, hoy ny Praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo... ♦ Mpiasa hatrany amin'ny 300 isa no atahorahana ho very asa, noho ny fikasan'ny orinasa afaka haba iray, hampiasa milina hanoloana ny asan'izy ireo... ♦ Hisy tetikasa "Jeritany", iarahana amin'ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany na ny SIF. Tetikasa hamoriana ireo mpisehatra, hitadiavana vahaolana momba ny tany lova sy ny fanajariana ny tanim-panjakana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...