♦ Tokanana izao hariva izao ny seranam-piaramanidina any Sainte Marie. Roa sosona ny lanonana tanterahana any an-toerana ho an'ny anio, izay tarihin'ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Mitohy ny fifampidinihana eo anivon'ny Minisiteran'ny Asa amin'ireo Sendikà ao amin'ny CNaPS... ♦ Manaiky ny fandaminana sy ny famindrana azy amin'ny tsena vaovao, ho fanatanterahana ny Tetikasa “Téléphérique”, ny mpivarotra eny amin'ny “Petite vitesse”...
♦ Mbola mitana ny teny nomeny amin'ny handraisany anjara amin'ny fifidianana, Andriamatoa Paraina Auguste, na dia nambarany aza fa fanilihana ny mpanohitra ny fampakarana ny anto-bola ho an'ireo kandidà... ♦ Tsy afa-po tamin'ny didy navoakan'ny Fitsarana, ho an'ilay olona nively tavoahangy azy, i Rado Djo, mpiasan'ny onjam-peo tsy miankina... ♦ Marolafy ireo asa fampandrosoana an-dalam-panamboarana ao Imerintsiatosika. Volan'ny Kaominina madiodio avokoa no hanatanterahana izany...
♦ Lasa raharahan'ny samy mpanam-bola ny firotsahana ho fidiana ho Filoham-pirenena, amin'ity taona ity, hoy ny Antoko VHT. Nampakarina ho 20 tapitrisa Ariary, anto-bolan'ireo kandidà, araka ny tapaky ny Governemanta... ♦ Nikatona ny biraon'ny CNaPS rehetra nanomboka androany, noho ny fitokonan'ny mpiasa. Mbola tsy hanao afa-tsy fiandrasan-draharaha anatiny izy ireo rahampitso... ♦ Efa manomboka miverina ny rano amin'ny faritra iva, taorian'ilay fahatapahana tamina toerana maromaro teto an-drenivohitra...
♦ Manaraka akaiky ny zava-misy eto Madagasikara ny IDC-CDI, fikambanana iraisam-pirenena miara-miasa amin'ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Mbola betsaka ireo fanamby miandry an'i Madagasikara amin'ny lafiny demôkrasia hoy izy ireo... ♦ Mikasa ny hanondrotra saran-dalana ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fitanterana amin'ny zotra nasiônaly sy ireo filohan'ny Kaoperativa. Nisy ny dinika nataon'izy ireo ka manodidina ny 10% izay fisondrotana izay... ♦ Niakatra ny taham-pahafahana fanadinana CEPE manerana ny nosy, farany teo. Nahatratra 76% izany tamin'ity taona 2023 ity... ♦ Lasibatry ny ora-mikija ny faritra avaratr'i Inde. 60 mahery no maty vokatry ny tondra-drano sy ny fihotsahan'ny tany...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco