♦ Nankalaza ny nampiakarana an'i Masina Maria tany an-danitra tamin'ny Eokaristia Masina omaly ny Eglizy katôlika Romana maneran-tany... ♦ Isan'ny sehatra hiaraha-miasa eo amin'i Inde sy Madagasikara ny fanatanterahana ny fifidianana madio sy mangarahara, araka ny nambaran'ny masoivohony eto Madagasikara, omaly, raha nanamarika ny faha-77 taona nahazoany ny fahaleovan-tena niaraka tamin'ireo solon-tena avy amin'ny fitondrana Malagasy, teny Ivandry, ireo tera-tany Indiana omaly...  ♦ Ho tonga eto Antananarivo amin'ny 23 aogositra ny afo tsy matin'ny lalaon'ny nosy, mialoha izany, i Toliary no handray azy amin'ny zoma izao... 

♦ Nampahafantatra ny teo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika fa nesorina tamin'ny andraikitra maha Talen'ny Kabinetra azy teo anivon'ity Andrim-panjakana ity, Ramatoa Romiary Andrianarisoa... ♦ Mpandraharaha vahiny roa, no namoahan'ny Fitsarana didy figadrana an-tranomaizina, miampy lamandy 90 miliara Ariary. Mitaraina amin'ny fomba nitsarana azy ireo ny mpisolovavany androany... ♦ Nahazo ivon-toerana famokarana angovo azo avy amin'ny herin'ny masoandro, ny any Antsiranana...

♦ Voasambotra tany Londres, noho ny fitakiana vola tamin'ny orinasa iray mpitrandraka harena an-kibon'ny tany, ny Talen'ny Kabinetran'ny Fiadidiana ny Repoblika, Romy Andrianarisoa... ♦ Nanambara ôfisialy ny hirotsahany ho kandidà Filoham-pirenena, Andriamatoa Rolland Ratsiraka... ♦ Miombon-kevitra sy manamafy ny fitakian'ny SECES Sampana Antananarivo, ny ENS. Miato avokoa ny asa rehetra eny Ampefiloha...

♦ Hihaona amin'i Papa François ao Vatican ny filoham-pirenena Andry Rajoelina amin'ny alakamisy ho avy izao. Isan'ny nambarany tamin'ny fitsidihana any amin'ny faritra avaratry ny nosy omaly izany... ♦ Andrasana ao Antsiranana ny fahatongavan'ny afon'ny lalaon'ny nosy aty amin'ny ranomasina indiana.  Tontosa omaly tatsy amin'ny nosy Maorisy ny lanonana famindrana ny afo ho an'i Madagasikara... ♦ Velon-taraina amin'ny haratsian'ny lalana amin'ireo kaominina miisa 5 amin'ny ilan'ny atsinanan'ny distrikan'Antsirabe-II ny tantsaha sy ny mpandraharaha ary ny mpitatitra ny vokatra amin'ireo kaominina ireo... ♦ Tsy eken'ny rosiana tanteraka ny fikasan'ny CEDEAO hampiasa hery amin'i Niger...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...