♦ Misy fiantraikany goavana eo amin'ny fampianaran-janaka any Soanierana Ivongo, ny olan'ny seha-pihariana lavanila. Nankahery ireo ray aman-dreny, ny kandidà ho Filoham-pirenena, Hajo Andrianainarivelo... ♦ Nitarika tsy fitovian-kevitra tao an-drenivohitr'i Manjakandriana, ny fikitihana ny tsangam-baton'ny 29 marsa 1947... ♦ Olona telo no nampidirina am-ponja vonjy maika, vokatry ny fahafatesan'ny mpianaka tany Betafo, ny alahady teo...

♦ Nisedra olana tsy toy ny tany amin'ny Faritany dimy hafa ny fanapahana amin'ny famerana ny naoty amin'ny fahafahana fanadinana Bakalôrea, ho an'ireo teo amin'ny Faritanin'Antananarivo... ♦ Tsy mitombina intsony ny fitoriana nataon'ny antoko MMM, amin'izao fanomanana ny fivoahan'ny lisitra amin'ny fomba ôfisialy izao, hoy ny Fitsarana... ♦ Nametraka fitoriana miisa roa an'i Raïssa Razaivola, ny Lehiben'ny Firaiketan-draharaham-pitsarana Ambaratonga Voalohany eo Anosy sy ny Mpitsara iray eo anivon'ny PAC...

♦ Azo ampiasaina ao aorian'ny fanitsiana ny lisi-pifidianana, hoy ny tatitr'ireo manam-pahaizana nanao fitsirihana teny Alarobia androany. Tsy manome antoka hahazoana zotram-pifidianana madio anefa izy ireo, raha ny lisitry ny mpifidy fotsiny... ♦ Nitrangana olana ny famoahana ny valim-panadinana Bakalôrea, ho an'ny Faritanin'Antananarivo. Tsy mety manao ny "délibération" ireo mpampianatra, noho ny tsy mbola nandraisan'ireo mpitsara ny taratasim-panadinana, ny tambin-karamany...

♦ Hanafatra katsaka 45.000 taonina hanampiana ny tolotra tsy ampy eo amin'ny tsena ny MPE sy ny IPA Madagascar. Nankatoavin'ny ministera tompon'andraikitra ny antontan-taratasy momba izay fanafarana izay... ♦ Manana tetik'asa hampitomboana ny fanjifan'ny mponina an-tanàn-drehibe trondro ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga. Misy ny fiaraha-miasa amin'ny mpiara-miombon'antoka hiadiana amin'ny tsy fahanjarian-tsakafo mahazo ny 42% amin'ny zaza Malagasy... ♦ Mijoro ankehitriny ny Tambajotran'ny Firasan-kina ho an'ny Fandriampahalemana Iraisan'ny Rehetra na ny RESPIR. Tambazotra najoron'ireo firenena aty amin'ny Ranomasimbe Indiana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...