♦ Lany ho Filoham-pirenena hitondra an'i Madagasikara ao anatin'ny 5 taona ho avy indray, Andriamatoa Rajoelina Andry, araka ny didy navoakan'ny HCC... ♦ Olona 10 hatramin'ny 15 isan-kerinandro no manao ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/SIDA, eny amin'ny Hôpitaly Befelatanana... ♦ Mbola nisy asan-dahalo nitranga tany amin'ny Distrikan'i Mandoto tamin'ity herinandro ity, na dia efa any an-toerana manao hetsika manokana aza ny mpitandro ny filaminana...

♦ Ho hentitra anio ny fitandroana ny filaminana eny Ambohidahy, mandritra ny famoahan'ny HCC ny voka-pifidianana ôfisialy, tamin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena... ♦ Efa naneho ny tsy fankasitrahany izay voka-pifidianana ho avy eo, ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena. Miantso fitoniana kosa etsy ankilany ireo Loholona maro an'isa eny Anosikely... ♦ Mbola tsy nampitovy hevitra ireo Solombavam-bahoka ny LFI 2024, izay lany tsy nasiam-panitsiana sy fanovana teny Tsimbazaza, omaly...

♦ Namoaka fanambarana milaza ny hitohizan'ny tolona efa natombony, mba hahatongavana any amin'ny fifidianana tena izy, ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena... ♦ Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny LFI 2024... ♦ Tara adiny roa sy sasany ny fanombohan'ny fifidianana ny Biraon'ny Holafitry ny Infirmiera eto Madagasikara, ho an'Anjozorobe...

♦ Mitohy ny fanadihadiana an'ireo miaramila manamboninahitra roa avy amin'ny tafika malagasy nahiditra eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy hoy ny lehiben'ny Etamazaoron'ireo tafika, ny jeneraly Andrianasimanana William... ♦ Hanao ady sisika hanohanana ny tetik'asa fiarovana ny tontolo iainana ataon'ny malagasy tanora ny mpitantana ny orinasa Bondy misehatra amin'ny fambolen-kazo. Handray anjara amin'ny fivoriana iraisam-pirenena andinihana ny momba ny fihafanan'ny tany any Dubaï na ny COP 28 izy...  ♦ Misy akony mafy amin'ny tsifanjarian-tsakafo ao amin'ny Faritra atsimo-atsinanana ny fiatraikan'ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny fambolena. Mitombo ny maitso ahitra iainan'ny mponina rehefa misy ny loza voajanahary...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...