♦ Nankalazaina tany amin'ny Saha Maitsoanala any Mandraka Ambatolaona Manjakandriana, ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny karazan-java-manana aina... ♦ Mbola misy olona roa karohina, voasaringotra tamin'ilay raharaha fanondranana an-tsokosoko sokatra sy varika tany Thailande... ♦ Mbola azo hitarina hatrany amin'ny 10 tapitrisa hekitara ny velaran-tany azo volena eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny tantsaha ao anatin'ny sehatry ny famokarana tantanam-pianakaviana...
♦ Mitarika amin'ny ampaham-bato azo, any amin'ny Distrika maro eto amin'ny nosy, ny kandindàn'ny IRMAR araka ny fironana voaray avy eny amin'ny CENI. Misy amin'ireo Solombavam-bahoaka nirotsaka amin'ny alalan'ny Firaisankina no tsy ho tafaverina eny Tsimbazaza... ♦ Mitaraina amin'ny tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana farany teo ny kandidà tao amin'ny Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra, Ramboasalama Emilien. Miahiahy amin'ny fanodinana ny vatony kosa ny kandidà tsy miankina ao Belo amoron'i Tsiribihina...
♦ Nitsidika ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana teny Ambohidahy omaly, ny delegasiônin'ny OIF, isan'ireo nanara-maso ny fifidianana Solombavam-bahoaka teto amintsika, tamin'ny alarobia 29 mey... ♦ Tsy mazoto haneho ny safidiny amin'ny alalan'ny fifidianana ny ankamaroan'ny vahoaka Malagasy. Fahadisoam-panantenana manoloana ny fihetsiky ny mpanao pôlitika no antony, hoy ny antoko RDS... ♦ Hitohy hatramin'ny anio ny fandraisana ireo maniry hiofana amin'ny asa eny anivon'ny fiaraha-monina, ao amin'ny ESTS...
♦ Mety ho maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny depiote avy amin'ny lisitra tsy miankina, raha ny fironam-bokatra nivoaka. Tsy afaka hanolotra izay ho Praiminisitra anefa izy ireo, raha izany no misy... ♦ Manomboka mandray fitoriana momba ireo tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny HCC. Efa naharay fitoriana anankiray izy ireo androany... ♦ Nanaovana antso tolo-bidy ny Hôtel 5 Etoiles ety Ivato, ahafahana manokatra ity trano fandraisam-bahiny lehibe ity. Efa maro ireo namaly izany, hoy ny Minisitry ny Fizahan-tany sy ny Asa tànana...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco