“Onena i Jesoa nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry” (Mt 9,36)

Ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka mpiray tanindrazana tsy ankanavaka ary ny
kristianina katôlika.

Ho aminareo anie ny fiadanana!

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

♦ Manatanteraka ny Fivoriambe faharoa fanaony isan-taona, ao amin'ny Episcopat Ambatoroka, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny 5 hatramin'ny 15 nôvambra 2024... ♦ Mirehi-pitiavana ho an'i Jesoa, manokan-tena ho an'ny tanora. Io no manentana ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, ho an'ny Chapitre Général CG29...

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana, ny 31 ôktôbra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan'i Fenoarivo Atsinanana... ♦ Notontosaina ny 3 nôvambra 2024 ny Eokaristia Masina fanokafana ny taom-piofanana 2024-2025, ho an'ny Grand Séminaire de Théologie, Masindahy Jean Marie Vianney, Mangarivotra Moramanga... ♦ Loharano sy fototra ny fo, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny 3 nôvambra 2024...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...