♦ Manentana ny diosezy rehetra hanatanteraka ny fisoratana anarana amin'ny fandraisana anjara amin'ny Fihaonana Nasionaly andiany faha-3 ho an'ny Ankizy ny Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Ankizy... ♦ Ny fitiavan'Andriamanitra no hery mampiova mandrisika hitory ny Vaovao Mahafaly, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 29 marsa 2023... ♦ Antenaina hivoaka ny hôpitaly Gemelli ny sabotsy 1 aprily 2023 ny Papa François...

♦ Nanamarika ny 25 marsa ny MDMK-CVX tao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga, ny sabotsy teo. Nandritra izany ihany koa ny nakofana tamin'ny fomba ôfisialy ny faha-100 taoan'ny Antilin'i Madagasikara... ♦ Manohy hatrany ny fitsidihana pastôraly izay tanterahany ao amin'ny Diôsezin'Ambanja i Mgr Donatien Randriamalala, ka ny Paroasin'i Maromandia no nadehanany omaly... ♦ Fomba iray hanehoana ny finoana ny fivahinianana masina, ka tokony hitodika bebe kokoa amin'Andriamanitra isika, hiala amin'ny fitiavan-tena, hikajy ny tontolo iainana, io no fanentanana nataon'i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, nandritra ny pèlerinage notontosaina teny amin'ny Montagne des Français, ho an'ny tao amin'ny Arsidiôsezin'Antisranana...

♦ Fahatsiarovan-tena hanova ny zava-misy mampijaly no tanjona ho an'ny dinika marolafy notanterahina tao amin'ny Seminera zokiny Antsiranana nanomboka ny 20 mars 2023... ♦ Mila ofanina sy beazina hahay hitsikera sy haneho ny maha-izy azy ny tanora, hoy i P. Alphonse Awoudou, Mpanolo-tsaina jeneraly misahana an'i Afrika sy Madagasikara ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Mila arovana ny trano mba hahafahan'ny taranaka aoriana misitraka azy, hoy ny Papa François...

♦ Mitsidika ny faritanin'i Madagasikara ny mpanolotsaina jeneralin'ny Salezianin'i Don Bosco, misahana an'i Afrika sy i Madagasikara, P. Alphonse Owoudou... ♦ Nosokafana androany maraina ny andro ho an'ny fikaonan-doha marolafy tao amin'ny Seminera zokiny Paul VI, Antsiranana... ♦ Nanentana ny kristianina hivavaka ho an'ny raim-pianakaviana ny Papa François noho ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Josefa...

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...