--- Enin-taona sy 18 andro aty aoriana, miverina sy iainana eto amin'ny tanin'nyRepoblikan'i Madagasikara indray ny hoe HAMEHANA. HAMEHANA hafaanefa fa tsy toa ilay HAMEHANA ara pahasalamana noho ny covid  izay nampiharina nanomboka ny 21 mars 2020 izay naharitra am-bolana maro. HAMEHANA ara-angovo vokatry ny olan'ny solika indray no nihatra nanomboka ny 7 avril teo ary haharitra 15 ANDRO izany. Na dia samy zava-nisy avy any ivelany aza no nitarika ireo HAMEHANA roa ireo teto amintsika dia tsy mitovy velively ny fisehoany. Tsy azo tsapain-tanana mantsy ny aretina covid kanefa tonga niara-niriaria tamintsika tsy mba nifanarahana.....saingy tena ilaina sy AKORA TSY AZO IALANA kosa ny SOLIKA izay mbola afarana....

Heverina fa efa nakan'ny mpitondra ankehitriny AROFANINA ny niainana ny vanim-potoanan'ny covid satria ny mitondra dia tokony hahay mitsinjo mialoha na ilay hoe gouverner c’est prévoir e! Maromaro ihany ireo firenena efa niomana nametraka AROFANINA mialoha, raha vao nanomboka ny rahom-bava teo amin-dry zareo amerikana sy iraniana. Tsy vitan'ny rahom-bava fotsiny izany taty aoriana fa tonga hatrany amin’ny daroka baomba teo amin’ny roa tonta. Voatsembatsembana hatramin’ny détroit d’Ormuz izay ain-dehibe hifamezivezen'ny sambo mpitatitra solika mihitsy izany. Na dia niato 15 ANDRO aza ny ady araka ny fifanarahana teo ami’nireo mpifanandrina dia heverina fa mbola ilaina vahaolana maharitra izany, ho antsika, mba hisorohana ny fiverimberenan’ny olana. 15 ANDRO ho an'ny mpifanandrina izany aloha ny fitsaharana fa ho antsika izay firenena nipitihan'ny afo nefa tsy miady dia namatraka 15 ANDRO koa ampiharana ilay hoe HAMEHANA ARA- ANGOVO.

Fameram-bidy tokoa no efa nampiharin'ny mpitondra tamin'ny fiandohan'ty volana ity saingy tsy voatàna izany any amin'ireo toerana sasany. Manomboka misy mantsy ny varo-maizina sy ny fanararaotana satria ny fahorian'ny hafa... fifalian'ny sasany. Dia mila tsiahivna tokoa ve fa tsy vitsy anie ireo nanan-karena nandritra ny HAMEHANA tamin’ny Covid e! Dia ho gaga ve isika raha manjaka ny filaharana: na io ho an’ny fiara na kodiaran-droa, satria maro ireo mividy mihoatra mba hanomanana tahiry sy hitsinjovana ny ketrika! Anatin'ny asa HAMEHANA ho an'ny fanjakana ny fametrahana AROFANINA mazava ho enti-mandrindra ny famatsiana, ny fivarotana, ny fitaterana, eny hatramin'ny fitsitsiana ny solika. Isika koa anie ka malaza mahantra matory ambony harena e! Vilian-tsahona ihany anefa izany aloha fa mbola tsy re sy tsy hita manangasanga...ilay hoe Bemolanga. AROFANINA lehibe koa ny fahaiza-mihaino satria tsy vitsy ireo malagasy manam-pahaizana manana traikefa sy lenta amin'ny fahaiza-mikaroka. Ny fitambaran'ny voka-pikarohana sy fanomezan-dnaja azy ireny koa no tokony atao AN-KAMEHANA mba hanombohana ny fanorenana.

Aza hadinoina fa sedra hitarafana ny fahaiza-manaonan’ireo mpitondra milaza ombieny hampihatra ny fanavaozana izao zava-misy izao. Maro amin'ny malagasy mantsy no tsy mahadigny raha ela fa efa leom-boanana. Raha ny teo ihany koa no mbola ho eo fa tsy tena vonona hanala ireo olana maha gisitra...diatsy ho ela ho re ho azy eny ny hanitry ny tongolon'i Ejipta.

Ilaina matotra sy hentitra noho izany ny vahaolana anaty HAMEHANA...satria sao hanara-dia sy hanampy trotraka ny olan'ny jiro sy rano koa ny solika ka hanamafy ny fahasorenana. Ny 15 ANDRO HAMEHANA mantsy mety mbola hiampy sy hiverimberina

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...