--- Toa mbola tena zatra ny lalan-dririnina amin'izao famaramparanana ny fotoam-pahavaratra izao isika Malagasy, raha atao indray mijery ny TOETRANDRO POLITIKA. Kisarisary efa hita sy re ary niainana ihany mantsy no mbola miverimberina sy mandrafitra ny VOLON’ANDRO POLITIKA ankehitriny. Dia ho gaga ve ianao mpihaino raha handre ny AROFANINA hanamafy ka hamantsika hatrany ny hazo mba tsy hampianjera ireo soa kely...tokony harovana mba tsy hidaraboka? Seza, fahefana, voninahitra...mbola tena badenina sy mamba noana tokoa ireo malagasy milaza ho mpanao politika, raha vao mahaino ireo. Ny hoe antoko politika koa moa eto amintsika maniry ohatry ny anana koa...

Dia samy manao ny fombafomba, mampiasa ny eo am-pelatanany, ary minia manadino mihitsy izy ireo fa.... fahefana nindramina no ezahiny hanaporetana ireo Malagasy havana, namana, mpiray tanindrazana. F'angaha tokoa moa vao izao no nisy fikambanana, na vondron'olona na sendika, na antoko politika sy vovonana samihafa, eny hatramin’ny mpiray faritra nasaina mijoro, na ny marimarina kokoa...nosandaina volakely mba hanindrahindrana olona iray? Ny fotoana tahaka izao indrindra, izany hoe, fotoana ampiharana ny loko mena izay loza mihatra any amin’ny filazàna toetrandro mahazatra saingy FIANDRASAN-TSEZA eo am-piandrasana ny governemanta vaovao, no tena mampirongatra io fomba fanao io. Mandeha mantsy ny adisisika mba hahafahana miditra anaty RAFI-PIHINANANA. Na ireo efa nihinana sy nangina noho ny fahavokisana aza dia indro manoka-bava indray. Ireo tsy nahita lalana mba hidirana kanefa te hihinana ny paiso amoron-kady...indreo koa fa miezaka manozongozona mafy. Vetivety noho izany dia re indray ny anarana mpanao politika efa adino tanatin'ny taona maro. Toy izany koa ireo minisitra tsy hita sy tsy re, raha tsy tamin'ny fotoana nanendrena azy, dia indro mba miezaka mivarotr'endrika sy feo amin'ny haino vaky jery.

Tsy mahagaga izany satria somary nahazo hery tokoa ny rivodoza nandalo tato ho ato ka maromaro ihany ireo toerana nolalovany. Nihatra teny amin'ny laharana voalohany teny Mahazoarivo izany ary nitsoka tamin' ireo minisitra ny fampitsaharana ny asa. Eo am-piandrasana izay handimby azy ireo indray ny valala be mandry, kanefa tadidio fa efa nandalo teto anie ny hoe: fampiraisam-pirenena, fanavotam-pirenena, teknisiana e, manam-pahaizana avy any ivelany e! Dia isika rehetra mamaly ny vokany. Fa izao fitantanana miaramila izao indray dia misy ny hoe détecteur de mensonge entina hikatsahan'olona madio sy tsy mandainga hotendrena minisitra...Dia ireo teo aloha nesorina izany ahoana?... sanatria ve hiala maina ka ho afa-bela tao anaty andrakandrana? Mety ho marina ny hoe roa volana tsy hahafahana mitsara fa raha nitohy teo foana koa mety be ireo hikafara.

RIVODOZA hafa koa no mandindona eny Alarobia ka nanipy aro tanana ireo mpikambana miisa valo tao amin'ny Ceni. Toa nahalala tsy tiana ihany izy ireo ka nifindra lasy haingana niaro tena....mialoha ny tena handalovan’ny RIVODOZA. Nitondra TSIO-DRIVOTRA nampifamaly ireo milaza sy mitonona ho mpanara-maso ny fifidianana ny fikasana hanolo ireo valo mirahalahy nametra-pialana ireo. AROFANINA ho an'ireo efa nivondrona sy nanao tambabe avy eny Ambatonakanga ny fandravana ny Ceni ka tsy hanaovana intsony ny fifidianana izay ho solon'izy ireo. Tsy vahaolana kosa izany, etsy ankilany, ho an'ny fikambanana tokana avy eny Antanimena izay miezaka manohitra azy ireo, amin’ny filazàna fa misy ihany ny dingana vita.

Rivo-maherin'Antananarivo koa ny nanesoran'ny fitsarana ny TOMPON'NY TANÀNA ao an-drenivohitra vokatry ny fitorian'ny kandida mpifaninana. Dia samy mihazohazo hatramizao, satria na ny mpikarakara fifidianana aza io nambarantsika io fa mbola an-dalam-panarenana, vokatry ny RIVODOZA mihaodihaody.

Manahirana ny toe-draharaha, hoy ny AROFANINA, fa toa TRABOINA mandavan-taona eny foana Ramalagasy. Toy ny Rafotsibe very laona, ka miandry izay higadonany sy hahatsara ny androny. Kanefa velom-panahiana ihany fa sao misy mitondra amin’ny sangany ity firenena ka terena, fa tsy mahaleo tena. Hamafisina ary ny AROFANINA, fa sao lahy hifandevon'ivoho lava eto isika ka vao mainka hiditra anaty haizina ny taranaka amam-para miandrandra fanavaozana. Sao koa lahy ny pataloha no hiova fa ny ao anatiny ny eo ihany. AROFANINA hampamiratra ny andron’ny Malagasy no tena hirariana mba haha maika. Ny anareo mpanao politika mantsy toa vita ihany...mody miady dia mifampiaroaro, dia laroina amin’ny hoe tombontsoa ambonin’ny firenena ka tsy misy bedy fa mora ny fitsoahana any ivelany, ny fametsifetsena koa tsy mampigadra. Anareo tokoa ny 90 andro...fa ampiharo ihany ny AROFANINA fa tsy laitra anie hono ny RIVODOZA MAHERY VAIKA miainga amin’ny hoe: iray maka bahana, roa fiomanana, telo voaongana e!

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...