--- Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ka isany nankalaza izany isika teto Madagasikara. Filaharam-be nataon’ny fikambam-behivavy maro, arahina lahateny samihafa mazana no hetsika atao. Tsara aloha ny mampahatsiahy fa ny taona 1977 no nanambaran’ny Firenena Mikambana tamin’ny fomba ofisialy ny 8 mars ho andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ka marihana isan-taona...

Raha tsiahivintsika ny tantara, dia ny taona 1907 tany Eoropa sy Etazonia no niandoha ny hetsika nataon’ireo vehivavy mpiasa amin’ny orinasa manenona lamba, ho fitakiany zony. Niitatra sy niha-nahazo vahana ity fitakiana ny zon’ny vehivavy ity, ka ny 8 marsa 1917 no nanamarika ny tantara ny fihetsehan’ireo mpiasa vehivavy rosianina an’arivony tany Saint Petersbourg, nitaky ny sakafo sy ny filaminana ary fandriam-pahalemana.

Fa raha ny hita amin’ny hetsika fankalazana ny andron’ny 8 mars ankehitriny aloha, dia saika seho ivelany hanehoana ny hatsaran-tarehy sy bika no nentina ankalazana ity andron’ny vehivavy ity : filaharam-be fanaovana akanjo sy fanamina mitovy hanafenana ny tena fototr’olana mianjady amin’ny vehivavy andavan’andro. Matetika loko marevaka ny fanamiana ho an’ny vehivavy amin’io andro malaza io. Loko volomparasy midika fahamendrehana sy rariny, ny maitso fanantenana, ny fotsy fahadiovana sy fahitsiana. Fotoana hanehona ny zava-bitan’ny vehivavy amin’ny sehatra maro ihany koa anefa ny 08 Marsa eo amin’ny sehatra politika, siansa, asa, fiarahamonina. Ankehitriny dia laroina hetsika ara-kolotsaina hira sy dihy ary hetsika ara-panatanjahan-tena handraisan’ny vehivavy anjara ny fankalazana.

Ankehitriny koa dia toa miompana betsaka amin’ny fanentanana sy fitakiana ny fitovian-jo sy ny zon’ny vehivavy ny hetsiky ny 8 Marsa. Fitakiana mifototra amin’ny fanana zo izany. Toa manjavozavo ihany anefa ny fitakiana : fitakiana zo sa fitakiana fitovian-jo ? Raha fitakiana zo mantsy, dia misy zo efa voafaritra na vao hofaritana fa tokony hositrahan’ny vehivavy. Mahakasika ny sehatra marolafy izany : eo amin’ny tokantrano, ny asa, eo amin’ny fiarahamonina, ny firenena. Voahaja tanteraka ve izay?

Zava-misy tokoa mantsy, raha any amin’ny firenena sasany, ohatra, dia tsy mbola mahazo miasa ny vehivavy, tsy mahazo mifidy. Raha ho antsika eto Madagasikara koa, mbola misy any amin’ny faritra sasany ny vehivavy tsy mahazo na tsy avelan’ny vadiny miasa mihitsy . Eo koa ny hoe tsy afaka miara mivory amin’ny lehilahy, noho ny fomban-tany, ka miandry eo ivelan’ny tokontany izy ireo, miandry izay fanapahan-kevitra nandritra ny fivoriana nataon’ny lehilahy tao anaty efitrano. Any amin’ny orinasa sasany indray, latsaky ny 30 isan-jato amin’ny karaman’ny lehilahy ny karaman’ny vehivavy, na mitovy diplaoma sy asa atao aza, raha ny tatitry voalazan’ny Randrana sendikaly. Misy ihany koa ny orinasa tsy mandray vehivavy hiasa, raha mitondra vohoka. Olana sedrain’ny vehivavy Malagasy ihany koa ny tsy fahafahana mandova : mbola misy ny tsy fitovina amin’ny fizarana fananana, rehefa misy fisaraham-panambadiana, mbola misy ny mampihatra ny kitay telo an-dalana, izany hoe ny ampahatelon’ny fananana ny an’ny vehivavy, indrindra amin’ny tontolo ambanivohitra.

Fa ny hoe fitakiana fitovian-jo kosa, izany hoe mira zo, te hitovy zo amin’ny lehilahy. Mahasanganehana ihany izany satria sasanangy samy hafa. Ny lehilahy dia noharian’Ilay Mpahary ho lehilahy, ka manana ny mampiavaka azy izay tsy ananan’ny vehivavy mihitsy. Toy izany koa ny vehivavy, nohariana ho vehivavy ka manana ny mampiavaka azy tsy hitoviany amin’ny lehilahy velively. Tranga hita ary miharihary toy ny tafika andrefan-tanana anefa ny tsy faneken’ny olombelona sasany intsony an’io lahatr’Ilay Nahary io, ka maniry fatratra ary manao ny fomba rehetra hivadihana amin’ny maha lehilahy na maha vehivavy azy. Mba hiombon-kevitra amin’ny Arofanina kosa angamba ianao mpihaino, fa efa fitakiana fitovian-jo diso lalana izany e.

Raha nosokajiana ho fanaka malemy ny vehivavy Malagasy hatramin’izay dia tsy mitombina intsony izany ankehitriny, manana anjara toerana amin’ny sehatry ny fampandrosoana izy ireo, misy ny vehivavy mpitantana orinasa, mpiasampanjakana ambony : toy ny tale jeneraly, sekretera jeneraly, minisitra, solombavambahoaka, ben’ny tanàna. Misy ihany koa ireo vehivavy mpiasa ambony eo amin’ny sehatra iraisampirenena : toy ny any amin’ny banky iraisampirenena, ny firenena mikambana, ambasadaoro any ivelany sy ny sisa. Tsy vitsy ihany koa ireo vehivavy manampahaizana ambony mpampianatra mpikaroka, injeniera sy ny sisa. Tsara marihana ohatra fa Ramatoa Bao Andriamanjato no vehivavy injeniera Malagasy voalohany. Mbola fitakian’ny vehivavy hatramin’izao : isan’izany ohatra ny filankevim-pirenen’ny vehivavy handinihana ny hampitomboana ny tahan’ny vehivavy mitàna andraikitra ambony eto amin’ny firenena ho 30 isan-jato farafahakeliny.

Mahavita azy ny vehivavy, saingy mila fahavonona ara-politika ny fampitovian-jo ara-pitantanana, sy ny fanomezana sehatra azy ireo eo amin’ny raharaham-pirenena. Olana mipetraka raha tsy sahy mandray andraikitra ny vehivavy, na tsy avela handray andraikitra mihitsy toy ny ataon’ireo antoko na fikambanana misy azy ireo ka tsy manome sehatra ny vehivavy amina fitantanan-draharaham-panjaka na fiainam-bahoaka. Amin’izao fotoanan’ny fanavaozana tian-kapetraka eto amin’ny firenena izao, dia mitondra ny soso-keviny ny Arofanina ny hanentanana sy hanomezana vahana kokoa ny vehivavy handray anjara amin’ny raharaham-pirenena sy ny fampandrosoana ny fiarahamonina malagasy. Fifamenoana no tokony hisy eo amin’ny vehivavy sy lehilahy raha samy hitaky zo ihany

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...