--- "Hisokatra ho an’ny rehetra tsy misy tambiny ary hoan’ny tombotsoan’ny Malagasy." Io no isany fanehoan-kevitra nentin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara taorian’ireo fitsidihana ofisily nataony tany Rosia sy Frantsa farany teo. Misokatra ho an’ireo firenena vonona hiara-hiasa aminy i Madagasikara. Io no foto-kevitra ara-diplomatika entin’ny mpitondra raha ny nambaran’ny filohan’ny fanavaozana. Miompana amin’ny resaka toe-karena, ara-tafika ary ny sosialy, amin’ny an-kapobeny, ny fitsidihana nataon’ny filoham-panjakana malagasy tamin’ireo firenena vahiny ireo. Ao ambadiky ny fiaraha-miasa eo amina firenena roa tonta anefa dia tsy maintsy misy ilay antsoina hoe : " samy mahazo sy miaro ny tombotsoa hoazy "...
Ahoana tokoa no ahazoana antoka fa tsy fanambakana, fangoronana ny harem-pirenena sns...ny ambadik’ireny fifandraisana sy saritsarina fiaraha-miasa ireny ? Raha tany aloha dia niompana foana tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ireo firenena mpiaramiombon’antoka mahazatra ny fivelarantsika amin’ny any ivelany. Ankehitriny hita ho manao ezaka amin’ny fisokafana amin’ny firenena hafa isika taorian’ny fanasaziana sy fampiatoana maha mpikambana indrindra taty amin’ireo firenena Afrikanina toy ny an’ny Vondrona Afrikaninana sy SADC, rehefa nisy ny fiovam-pitondrana teto Madagasikara ny volana Oktobra tamin’ny taona lasa.
Tsy nila ezaka goavana kosa, tetsy ankilan’ireo, ny fandresen-dahatra ireo firenen-dehibe toa an’i La Frantsa, i Etats Unis, ary izao miampy an’i Rosia izao amin’ny tan-tsoroka hoan’ny fampandrosoana ny firenena nataon’ny fitondrana ho an’ny fanavaozana. Raha ny volana oktobra tokoa mantsy no nisy ny fiovam-pitondrana teto Madagasikara, efa-bolana aty aoriana dia toa hita ho samy mihazakazaka manatona tsy antsoina indray ireo firenena te hiara-hiasa amintsika.
Tsy ela akory fa nandritra ny fihaonan’ny filohan’ny fanavaozana tamin’ny solotenan’ny banky iraisam-pirenena sy ireo mpamatsy vola vahiny tany Rosia farany teo, dia nametraka ny tenany fa vokatra mivaingana sy mipaka amin’ny fiainan’ny vahoaka amin’ny andavan’andro no andrasana fanohanana amin’izy ireo. Eo anatrehan’izay fihazakazahan’ireo firenena avy any ivelany te hiara-hiasa amintsika izay, dia fotoana izao ahafahana manararaotra mametraka ny fepetra sy ny fitsipika araka izay maha mety antsika. Mila mahay miala amin’ny fanararaotana nataon’ireo mpiara miasa tamintsika hatramin’izay ny mpitondra mba tsy hiverenan’ny fitsentsefana ny harem-pirenena ka isika tompony indray no mangata-katiny.
I Madagasikara moa amin’ny maha Nosy azy tsy afaka hitoka-monina velively fa tsy maintsy manamafy fiaraha-miasa amin’ireo firenen-kafa. Mila atao an-tsaina foana anefa na izany aza fa firenena manana ny fahaleovan-tenany sy ny fiandrianany isika, ka tsy tokony hanaiky lalaovin’ny firenen-kafa araka izay mety amin’izy ireo. Matoa miara-miasa ny firenena roa dia samy mitady tombony, mikatsaka ny mahasoa ny fireneny avy ka mila fitandremana izany. Mila manao tombana tamin’ny zava-nisy tany aloha ny mpitondra amin’ny safidy atao, fa tsy nahasoa an’i Madagasikara ny filazana fa miara-miasa amin’ny firenena rehetra isika.
Tsy mahasoa ny firenena araka izany ny diplomasia misabaka atsy sy aroa, ka tsy tokony ho andrakandrana ny safidy atao. Diplomasia misokatra amin’ny vazan-tany efatra no ampiharin’ny mpitondra ankehitriny, ka tsy mahagaga raha manao pi-maso avokoa ireo firenena mandroso : toy ny fanomezana fanampiana, ny fanesorana haba, ny fanohizana ny fanondranan entana sns...Efa nisedra sy nandalo vanim-potoana maro ny firenena ary efa saika natao avokoa ny fomba hanatsarana ny fifandraisana amin’ny firenena any ivelany, fa toa vao mainka niharihary ny fahantrana sy ny fahasahiranan’ny vahoaka malagasy nandritra izay taona maro izay. Lasa sangisangy zary tenany ny hoe tsy mbola nisy fandrosoana tena izy izany teto Madagasikara tao anatin’ny 65 handray 66 taona niveranan’ny fahaleovan-tenam-pirenena izay.
Dia hoy ny Arofanina eto am-pamaranana hoe : Tokony hahay haka lesona tamin’ny fomba fitantanana hita fa efa tsy nahomby tany aloha noho izany ny mpitondra: mijery akaiky ny rivotra mitsoka maneran-tany na « géopolitique », ny ara-tantara mampifamatotra an’i Madagasikara amin’ny firenena hafa. Tsy tokony ho maimaika amin’ny fanapahan-kevitra iankinan’ny ain-dehiben’ny firenena. Tsy adala tokoa mantsy ny Ntaolo taloha raha nivolana hoe : avadibadiho im-pito ny lela vao miteny. Koa atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny ampon’ny mahalala