… /… Raha misy ny andraikitra manan-danja indrindra eo amin'ny sehatry ny fampianarana dia anisany ny fisahanana ny fanadinam-panjakana. Samy manana adidy amin'izany, manomboka amin'ny Ray aman-drenin'ny mpianatra, ilay mpianatra hanala fanadinana, ny sekoly fianarany, fa indrindra ny Fanjakàna mpikarakara ilay fanadinana. Isan-taona dia narahin’ireo mpisehatra ireo maso dieny ny mbola am-piandohan'ny taom-pianarana hoe : rahoviana ny fanadinam-panjakana amin'ity taona ity, na ny CEPE, na BEPC na Bacc ?
Firy volana ny fotoana hianarana hanomanana azy ? Niandry ka niandry ny rehetra tamin’ity taom-pianarana ity. Assa, noho ny toe-draharaha nisy teto amin’ny firenena angamba dia toa samy variana tany isika.
Nivoaka ihany ny tetiandro ho an’ny fanadinam-panjakana 2026, noho ny farany. Indrisy fa in-droa miantaona fa tafavoaka ny daty raikitra. Nofaritana aloha fa ny 21 Jolay ny fanadinana CEPE amin’ity taom-pianarana 2025-2026 ity ary ny 27 ka hatramin’ny jolay ny BEPC. Gaga ny mpanabe, sadaikatra ny ray aman-dreny, talanjona ny mpitantana sekoly, indrindra ny avy amin’ny tsy miankina. Ary resa-be hatrany anaty tambajotran-tserasera. Tsikaritra tokoa raha ireo tetiandro ireo fa miitatra iray volana ny taom-pianarana raha mitaha amin’ny hatramin’izay. Izany hoe hitombo indray ny fandaniana ara-bola, na ho an’ny sekoly na ho an’ny ray aman-dreny manan-janaka hiatrika fanadinam-panjakana.
Dia ireny voatery naneho hevitra ireny izy ireo. Nilaza mazava ohatra ny avy amin’ny sekoly katolika fa voadingana, tsy mba nisy fakankevitra nataon’ny Ministeran’ny fanabeazampirenena tamin’ny namaritana ireo tetiandrom-panadinana ireo. Efa nitranga izany tamin’ny taon-dasa, tsy nahazo fanasana ny sekoly katolika tamin’ilay dinika fakan-kevitra tetsy amin’ny CCI Ivato. Nitsikera mafy ihany koa ny avy amin’ny sekoly miahy tena momba ity tetiandrom-panadinana ity, ka nisy dinika namoahana ny tena daty raikitra. Voafaritra ary fa ny 16 jiona indray ny fanadinana CEPE, ny 06 ka hatrin’ny 8 jolay ny BEPC, ary ny 20 ka hatramin’ny 24 jolay ny fanadinana Bakalôrea, mitohy ny 27 ka hatramin’ny 30 jolay ho an’ny Bakalôrea teknika. Niravona ihany izany, satria teo ny fifampiresahana. Tsy misy tsy vitan’ny fifampidinihina tokoa
Hoy ny arofanina hoe : fitavozavozana ve sa …. izay ilay fanavaozana ? Toa zaza vao miana-mandeha ireo mpitantana amin’ny sehatry ny fampianarana, na ny ankehitriny na ny teo aloha, ka tsy nahatsinjo ny olana mety haterany. Ny fifanilihana andraikitra tsy lazaina intsony. Tsorina fa toa lasa ny tambajotra ara-tsôsialy no fitaratra hanitsiana fomba fiasa. Raha tsy teo ‘zany izao ny facebook dia mety inona no hiseho ? Ekena fa tsara ny mihaino ny hevitry ny daholobe, tsy ratsy ny maka lesona amin’ny hafa, saingy atao mialoha fa tsy aoriana, mba tsy ho lasa fitavozavozana. Fa raha isaky ny mandeha no diso fandraisana fanapahan-kevitra, dia toy ny lavo isaky ny mamindra ka sasatry ny miarina. Tsy kilalao ny fitantanana ny firenena, indrindra fanabeazana, fampianarana no resaka, tsy tokony andrakandrana ny fanabeazana. Tsy ny datim-panadinana ihany fa ny tetiandrom-pampianarana mihitsy ka ilaina ny mitsinjo mialoha. Gouverner, c’est prévoir, hoy ny teny vahiny, ka mila ialana ny fitavozavozana fa tsara ny maka hevitry ny rehetra mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra, satria izany no tena fanavaozana. Ny Ntaolo razantsika hendry sy lalim-pandinihina aza nilaza fa ny hevitry ny maro mahataka-davitra, ny eritreritr’olombitsy manodidina ny fatana ! Soa lavo hahay hamindra e, soa kenda hahay hitsako !