Atomboky ny Arofanina amin’ny FARANY ny resaka anio satria ity ny herinandro FARANY amin’ity taona ity, izay herinandro tetezamita hizorana ho any amin’ny taona vaovao 2026. Anio koa no alatsinainy FARANY sy Arofanina FARANY amin’ity taona 2025 ity. Ny fotoana FARAMPARANY tahaka izao tokoa no hanaovan’ny maro ny jery todika tao anatin’ny roa ambin’ny folo volana nodiavina... Mba haka tahaka izany anio ny Arofanina, ka hitodika ivoho hahatsiahy kely ny zava-nisy nanamarika ny tontolo politika teto Madagasikara.
Tao anatin’ny fito volana voalohany tamin’ity taona ity, dia niezaka nifehy ny toe-draharaha Atoa Rajoelina Andry, filoha teo aloha, sy ireo mpikamban’ny Governemanta notarihin’ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian. Mbola nanakoako tamin’izany ilay fitenin’ireo mpanohana hoe: “Merci président”... na teo aza ireo olana saro-bahana sy fahasahiranan’ny Malagasy. Mbola fotoana tena namirapiratan’ny loko volom-boasary izany, ka tsy nisaina akory izay hery na hetsika mety hanozongozona azy ireo mpitondra nampindramin’ny vahoaka fahefana. Vao mainka moa nampiakatra ny vozon’akanjony izy ireo rehefa nahavita nandray ny fivoriana roa samy hafa teto Madagasikara, dia ny COI sy ny SADC izany. Nampian’ny fanokafana ilay teferika izay tsy mbola miasa ara-dalàna... sy ny lalambe heverina fa migodana... kanefa am-pahany no vita? Narantin’ny filoha teo aloha tamin’ny pejiny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook mihitsy, ny 19 aogositra, izay fotoana nanokafana ny ampahany amin’ny lalambe Antananarivo-Toamasina teny amin’ny PK0 Ambodifasina ny hoe: “Ilay nofinofy sy vinavina tao an-tsaintsika no hita maso sy azo tsapain-tanana.”
Tsy nanonofy intsony tokoa ny ankamaroan’ny Malagasy, fa efa niainany ny haizim-pito sy ny tsy fisian-drano na hivoaka na hiditra ny trano. Dia indreny izy telo mianadahy... izay notarihin’i Babà, fa nilanja daba MAVO teo anoloan’ny Antenimierandoholona eny Anosikely mba hanaitra ilay Loholona mpanohana fatratra ny fitondrana VOLOM-BOASARY. Fihetsika noheverina ho kely sy tsy hitarazoka... kanjo nahatonga ny fitondrana nidaraboka. Pitik’afo nandrehitra ny fijoroan’ireo tanora GEN Z sy ny miaramilan’ny Capsat izany, ka mora ny nandrava ny tsena izay tsy naharitra afa-tsy 20 andro. Dia nijoro sy miezaka manavao araka ny hiaka teny an-kianja ny Filohan’ny Fanavaozana ankehitriny, rehefa tafatsoaka ny filoha naongany.
Indro efa tapitra sahady ny roa volana nomeny an’ireo mpikamban’ny Governemanta mba hanoritsoritana ny fanovana. Aleo tsy afenina anefa ny zava-misy marina, fa Arofanina lehibe sy mba notakiana teny an-kianja ny hoe fahafahana miteny sy mangarahara. Mbola tena mifangaroharo ny loko eo amin’ireo mpitantana, ary izany aza no mampifanditra sahady ireo mitonona ho mpitolona. Mazava fa resaka toerana sy seza no mbola tena mahamaika ny ankamaroan’izy ireo. Miova andriana tokoa miova sata, fa dia manao ranolava isan-kerinandro ny fanendrena tompon’andraikitra sy mpiasam-panjakana ambony tato ho ato. Toa... mila Arofanina lehibe koa fa mifangaro voraka ihany ny hoe fampiharan-dalàna sy ny endrika valifaty politika. Tsy afa-bela fa mahazo ny anjarany avokoa ireo mpanao politika heverina fa akaikin’ny mpitondra teo aloha na ilay antsoin-dry zareo hoe forongony. Misy ireo nesorina, fa ao koa ireo mbola karohina. Tsy ilay fanenjehana no olana ho an’ny Arofanina, raha toa ka tena nanao heloka ilay mpitondra na tompon’andraikitra iray, fa rehefa manova dia tena manova e! ary rehefa manavao dia tena manavao, fa tsy am-bava teny an-kianja fotsiny ihany. Fa tokony hanonitra ny hadisoana vitany teto amin’ny firenena koa ireo nandika lalàna e! ary tsy maintsy ampihariny aminy ny lalàna... mba tsy ho ireo olon-tsotra nibirioka kely noho ny tsy fananana ka nanao fahadisoana kely no ho tratra FARANY any ambany Atsinanana. Firifiry anefa ireo mpanao politika izay ahiahina ho nanao fahadisoana goavana no madio vetivety na dia nanao ny tsy mety? Ao koa ireo tsy tazana, tsy re, fa efa tafavoaka any ivelan’i Madagasikara! Dia mbola indreto isika mifanenjika sy manohy ny fomba fanao politika izay tena tsy nampandroso, fa nametraka ny firenentsika any amin’ny laharana FARANY.
Arofanina lehibe ho an'ireo izay mbola haniry hitantana firenena ny fakàna lesona amin’ny hetsika sy ny kilalao politika nifandimby teto amintsika. Izay mpitondra nanao fahadisoana mantsy dia lasa mitsoaka sy MIVOAKA an’i Madagasikara... MIDITRA sy madio vetivety ary mahazo andraikitra kosa ireo nenjehina sy nitsoaka. MIVOAKA ny fonja koa ireo nogadraina noho ny resaka politika ary MIDITRA sy mandimby azy ireo indray ireo tratra FARANY tsy tafavoaka sy tsy tafatsoaka. Nanamarika ity taona 2025 ity izay FIVOAHANA sy FIDIRANA eo amin’ireo mpanao politika izay. Tsy vao tamin’iny tolona farany iny anefa no nisian’izany fa toa.. efa fomba fanao nifandovana. Madiva HIFARANA ity taona 2025 ity, ka fanirian’ny Arofanina ety am-pamaranana ny hoe: hiara-HIVOAKA amin’ity taona diavintsika ity anie ny fomba fanao politika fanaon’ireo mpambotry firenena, ary HIDITRA amin’io taona vaovao 2026 hitsidika tsy ho ela io ny fahatsapan-tena amin’ny fikatsahana tombontsoa iombonan’ny Malagasy. Samy ho tratry ny taona e.