Vita iny ny fihaonana an-tampony faha-45-n’ny SADC natao teto amintsika. Tsapa ho nanao izay nahafa-po azy mihitsy ny mpitondra tamin’ny fikarakarana rehetra. Namirapiratra sy nadio ny arabe fa handehanan’ny vahiny, nirentirenty ny sarin’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena Governemanta nanatrika ny fivoriana teto amintsika. Ny Malagasy rahateo hono malaza mandray vahiny. Hita tokoa aloha fa nahay nifanaja ny samy Malagasy nandritra iny fahatongavan’ny vahiny iny: tsy nisy hetsika politika na korontana, fa samy nampangina ny ambom-po politika. Asa ho fitandroana ny hasin’ny firenena ve sa nanaiky tsy sazoka ny fanerena (ankoalaka)?
Fa mety ho takalon’ny fahaizana mandray angamba tamin’ity indray mitoraka ity fa dia i Madagasikara indray no hitantanana ny vondrona SADC amin’ny alalan’ny Filoham-pirenena Malagasy manomboka. Nisongadina tamin’ity fihaonana ity koa ny fifanakalozana traik’efa sy fahalalana tamin’ny kaoferansa natao teny Ankatso ny 14 aogositra lasa teo. Zavatra tsara nentin’iny fandraisantsika ny fihaonana an-tampon’ny vondrona SADC izany. Izay vao tena tanteraka ilay teny malaza voizin’ny fitondrana ankehitriny hoe: “mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona”. Dia tena mbola tsy nisy tokoa aloha teo amin’ny tantara e! Fa angaha izay ihany fa mety hotanteraka koa ilay teny malaza hafa hoe : “hitodika aty amintsika ny mason’izao tontolo izao”. Ny mason’ireo firenena 16 mpikambana ao amin’ny vondrona SADC angamba ny marimarina kokoa. Somary nampalahelo ihany anefa satria maro no nanantena fa mba misy vahiny eto dia tsy ho tapaka aloha ny herinaratra. Indrisy fa nanjaka ny delestazy, asa raha mba niharan’izany izy ireo, na tsy tratran’izany fa nahalala izany ny fiainan’ny Malagasy miantehatra amin’ny herinaratra amin’ny fivelomana andavanandro.
Fa lasa koa ny eritreritry ny “Arofanina” fa angamba tsy nahavita foto-drafitr’asa etsy sy eroa isika, raha tsy mandray fivoriana iraisam-pirenena tahaka izao. Iny izao ny téléphérique, niandry ny fivorian’ny SADC vao nampiasaina, na dia mbola amin’ny ampahany koa aza. Toy izany koa ny lalambe migodana, ampahany kely no vita, dia tsy maintsy hotokanana imasom-bahiny. Tsy vao izao io anefa izany fanamboarana anatin’ny fandraisana fivoriana iraisam-pirenena izany no natao fa efa hatramin’izay. Teo koa ny CCI nandraisana ny fivoriana. Natao handraisana ny fihaonamben’ny vondrona afrikana sy ny frankofonia tokoa mantsy no nananganana an’ireny tamin’ny fotoan’androny, saingy indrisy fa tsy tontosa noho ny adilahy politika teto amintsika ka ity SADC ity no iraky ny firenena mikambana nandamina azy. Toy izany koa, tamin’ny Fivondronam-ben’ny Frankofonia teto tamin’ny taona 2016 no nanamboarana ny lalan’ny Rocade. Fisehoana ivelany ihany anefa ireny rehetra ireny.
Fa inona tokoa moa no fiantraikan’ireo fandraisana fivoriana iraisam-pirenena ireo ho an’i Madagasikara. Sady izay koa isika no hitantana ny SADC mandritra ny herintaona. Efa betsaka izay fihaonana iraisam-pirenena noraisintsika izay. Mby aiza ny akon’ireny amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Inoana mba hisy akony amin’ny toe-karem-pirenena izany, indrindra amin’izao toe-karena mitotongana amin’ny tany izao. Manginy fotsiny ny sosialim-bahoaka miaina fahantrana lalina, ka mila vahaolana dieny mbola tsy tara. Raisintsika ohatra ny tokony hanondranantsika vokatra eo anivon’ny tsenan’io vondrona ara-toekarena io. Fotoana izao hirosoana amin’izany, raha tsy natao hatramin’izay. Ohatra ny lavanila, sao dia fanararaotra hanarenana ity seha-pihariana ity ny fitantanana ny SADC? Toy izany koa ny fanonandranantsika vokatra hafa mampiavaka an’i Madagasikara. Toa hoe: 400 tapitrisa manko ny isan’ny mpanjifa eo anivon’ity vondrona ity, ary 15%-n’ny harinkarena faobe aty Afrika. Fotoana koa izao hisintonana ireo Afrikana hizaha tany eto Madagasikara. Hisy fivoriana 400 isa rahateo hotanterahina eto amintsika mandritra ny fitantanantsika ny SADC ao anatin’ny taona iray. Ka mba samy hahazo tombony koa ireo mpandraharaha mpisehatra amin’ny fandraisam-bahiny sy ny fizahantany. Enga anie mba hisy misongadina tokoa ny fitantanantsika fa tsy sanatria fisehosehoana sy toerana politika fotsiny no hibahana. Sadaikatra ihany ny Arofanina raha milaza izany, mba tsy hanan-dratsy. Sadaikatra sao sanatria hihomehezan’ny Afrikana eto isika, raha ho endrika ivelany fotsiny na miandry doka amin’izy ireo isika amin’izany toerana izany. Hamehezana azy dia indramintsika ny tenin’ilay mpanabe iray izay hoe : Aoka samy ho tompon’andraikitra fa tsy tompon-toerana!