Andro sisa isaina, dia higadona indray ilay andro malaza, daty mana-tantara eo amin’ny tantaram-pirenena Malagasy. Tsy inona izany fa ny datin’ny faha 26 jona, hankalazana ny fetim-pirenena Malagasy… ny marimarina kokoa dia hankalazana ny tsingerin-taona niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara. Ny faha 26 jona 1960 tokoa mantsy no nanambarana ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara tao aorian’ny dinika teo amin’ireo mpitari-tolona politika Malagasy sy ny fitondrana Frantsay tamin’ny fotoan’androny. Nahaleotena i Madagasikara nanomboka ny taona 1960, nefa mijanona ho firenena mifampiankina tanteraka tamin’i Fransa, noho ny fifanarahana fiaraha-miasa na ilay atao hoe “accord de coopération”.

Raha tsiahivina ny tantara dia isan’ny antony nitarika izao fahaleovan-tena izao ny tolom-panafahana mavaivay nataon’ny vahoaka tia tanindrazana Malagasy ny taona 1947. Taorian’izany, tsy mbola nankatoavin’ny fitondrana Frantsay ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Ny taona 1958, rehefa tafiditra tao amin’ny antsoina hoe “communauté française” i Madagasikara tamin’ny fotoana nitondran’ny Jeneraly Charles de Gaulle, dia nanapa-kevitra fa hitaky ny fahaleovan-tena ara-taratasy. Nosoniavina araka izany ny fifanarahana ny amin’ny hanomezana fahaleovan-tena an’i Madagasikara, ka nanao sonia izany ny Praiminisitra Malagasy Philibert Tsiranana sy ny Praiminisitra Frantsay Michel Debre ny 2 avrily 1960, ary nambara tamin’ny fomba ofisialy ny 26 jona 1960 fa mahaleotena i Madagasikara, ka io daty io no nofaritana ho fetim-pirenena Malagasy.

65 taona aty aoriana! Aiza ho aiza isika Malagasy? Dradradradraina foana isan-taona hoe  fahaleovan-tena, fahaleovan-tena… tena mahaleo tena tanteraka ve isika? Miankina amin’ny lafin-javaratra maro ny fisitrahana ny hoe: “fahaleovan-tena”. Miankina amin’ny famaritana izany no ahafahana milaza raha manana fahaleovan-tena isika Malagasy na tsia. Raha ara-taratasy sy ara-drafitra dia toa firenena mahaleo tena tokoa isika Malagasy, satria manana ny tarigetran’ny firenena, manana ny sainam-pirenena, manana ny hiram-pirenena, manana filoha mpitantana ny firenena, sy ny goverinemanta ary ireo andrimpanjakana samihafa. Fa na eo aza ny filazana fa mahaleo tena ara-politika isika Malagasy, dia mbola hita taratra ihany indraindray ny fitsabahan’ny vahiny an-kolaka amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena Malagasy. Mampametra-panontaniana ihany koa aza ny hoe: filoha tena voafidim-bahoaka tokoa ve ireo filoha nifandimby teto Madagasikara hatramin’izay sa filoha napetraky ny vahiny mpanjanaka fahiny. Niainga hatrany amin’ny filoha Philibert Tsiranana ka hatramin’izao hitondran’ny filoha Andry Rajoelina izao? Iza no namatsy vola azy ireny. Misy aza resaka mandeha, fa raha tsy kandida filoha avy amin’ny Frantsay dia tsy ho lany ho filoham-pirenena Malagasy mihitsy, na koa hoe raha tsy filoha napetraky ny Frantsay no mitantana an’i Madagaiskara dia tsy haharitra na hateza eo amin’ny fitondrana. Raha zohina anefa eo amin’ny lafiny toe-karena dia hita fa toa mbola tsy mahavita tena tanteraka isika, fa mbola miankina amin’i Lafrantsa izay nanjanaka antsika. Mbola ny mpanjanaka sy ny olony hatrany no nifehy ny toekarem-pirenena. Saika ireo orinasa vahiny no mibahana eo amin’ny fandraharahana sy mitana ireo sehatra ara-toekarena goavana, raha tsy hiteny afa-tsy angovo sy ny herinaratra isika. Saika mbola orinasa frantsay no maro an’isa eto Madagasikara. Mbola voafatotry ny fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny frantsay isika, ka tsy afaka nikopakelatra mandeha irery, na lazaina aza fa mahaleo tena. Mbola ireo firenena vahiny ireo aza no manampy ara-bola antsika ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana, ary izy ireo no mametraka ny fepetra rehetra ahazoana ny famatsiam-bola. Ka izany ve hahaleo tena? Mbola miankin-doha hatrany isika Malagasy eo amin’ny resaka angovo sy ny famatsiana solika, ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany sy ny sisa. Mbola mitavandra fanampiana amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena toy ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena isika. Na eo amin’ny ara-tsakafo aza moa tsy mbola mahavita tena i Madagasikara, fa manafatra vary, menaka, lafarinina, savony avy any ivelany. Mbola tolona atrehan’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Toa natsangana mihitsy aza moa ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.…

Raha eo amin’ny lafiny kolontsaina indray dia azo lazaina fa mbola sarintsariny ihany koa izay fahaleovan-tena izay. Saika ny kolontsaina vahiny no mibosesika eto amintsika, hany ka potika ny soatoavina malagasy, dia ny firaisankina sy ny fihavanana; ny teny frantsay no mbola mahazo laka amin’ireo taratasim-panjakana rehetra any amin’ny biraom-panjakana, ka mazana tsy mahita asa anaty birao raha tsy mahafehy ny fiteny frantsay. Ary misy fiantraikany any amin’ny rafi-pampianarana izany. Mbola maro ny sekoly mijoro eto Madagasikara manaraka ny rafitra sy ny fandaharam-pianarana frantsay.

… Raha akapoka izany rehetra izany dia mbola lavitr’ezaka ny fahaleovan-tena e! Mbola lavitry ny afo ny kitay amin’ny lafiny rehetra: toe-karena, sosialy, politika, ary kolontsaina. Manaporofo izany rehetra izany fa mbola tsy azo lazaina ho mahaleo tena tanteraka isika. Na ny tanintsika aza moa mbola bodoin’ny mpanjanaka hatramin’izao raha tsy hilaza afa-tsy ny “Îles Eparses” na ny Nosy Malagasy manodidina, na dia efa namoahan’ny Firenena Mikambana fehin-kevitra ny taona 1979 fa “antsika ireo Nosy ireo”, ary tokony hisy ny dinika eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara ny hamerenana azy ireo ho antsika Malagasy. Tsy tanteraka izany hatramin’izao. Tsy raharahian’i Frantsa izany e. Mbola hanaovana dinika any Frantsa indray aza io ny 30 jona ho avy izao. Fa raha ny soso-kevitra, na ny marimarina kokoa ny tena tian’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron atao, tamin’ny fitsidihany teto Madagasikara ny 23 sy 24 avrily teo dia hoe: iarahana mitantana ireo Nosy ireo… Koa inona no dikan’izany fa matoa iarahana mitantana amin’ny vahiny dia tsy tena antsika izay: tsy mahaleo tena isika Malagasy, ary mbola nampian’ny filoha Frantsay indray aza hoe: maniry hitrandraka ny “terres rares” eto amintsika i Lafrantsa. Tsy midika ve izany rehetra izany fa mitady hiverina indray ny fanjanahan-tany ankolaka amin’ny endriny vaovao 65 taona aty aoriana? Ho lava ny resaka raha hotanisaina eto daholo ny zava-misy ary mety ho be ny ho fanina. Fa navoitran’ny arofanina ireo lafin-javatra voalaza ireo ho entina hampisaina ny olom-pirenena tsirairay sy ambaratongam-pahefana isany. Ka hoy indrindra ny arofanina eto am-pamaranana hoe aleo aloha dinihina vao dradradradraina ny hoe fankalazana ny fahaleovantena. Sao dia tokony hoe fiverenanana amin’ny fitadiavana ny tena fahaleovantena kosa ary e?

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...