Ankalazaina isaky ny 3 mey ny andro maneran-tany ho an’ny Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Ny fiantraikan’ny saina voatr’olombelona amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety moa no lohahevitra nanamarihana izany tamin’ity taona ity. Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, tatatataina foana isan-taona. Fahalalahana, iza moa no tsy te hisitraka izany? Tsy hoe: te halalaka dia te hanana fahafahana izay tiana atao fa ny tsy hisian’ny teritery, sakatsakana. Voafetra ihany manko ny fahafahana, rehefa tsy manitsaka ny fahalalahan’ny hafa. Zo rahateo izany, hoy ny fifanarahan’ny firenen-drehetra eran’izao tontolo izao. Milaza ny heviny ny Arofanina hoe: zo io fa mbola mila angatahana foana, mbola takiana, toy ny zo hafa tokony hisitrahana ihany.
Tsy hoe fanamarihana fotsiny fa matoa mbola tatatataina lava isan-taona ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, izay mifandrohy amin’ny fahafahana maneho hevitra, dia mbola misy tsy fahafahana feno ao izay… Asa masina ny asa fanaovan-gazety, hoy ny fiteny, asa saro-pady. Asa, hanatanterahana ilay hoe: izay liam-baovao, liam-pandrosoana. Tsy ho tanteraka mihitsy izany, raha tsy omena fahafahana amin’ny asany ny mpanao gazety. Mba tsy ho voasakantsakana amin’ny famoaham-baovao, avela hahita ny tena misy marina ho an’ny tombontsoa iombonana, tsy ampitahorina amin’ny fahefana ananana, hiarovana tombontsoa manokana. Misy takalony koa anefa izany, dia ny adidin’ny mpanao gazety mampahalala vaovao marina ny olom-pirenena, anatin’ny fanajana ny etika sy deontolojia, ny sivana amin’ny tenany na ilay atao hoe “auto-censure”.
Inona moa ny tranga tsy voatanisan’ny mpanao gazety? Ny zava-misy eny amin’ny fiaraha-monina, eny an-dalambe, ny eny am-piasana, eny an-tsaha, ny raharaham-pirenena, ka misy tombontsoam-bahoaka, eny hatramin’izay miseho any andafin’ny riaka. Rariny, noho izany, raha takiana lava ny fahafahana amin’ity asa ity, satria io no asa isan’andro amin’ny haino vaky jery, fa tsy izay mampita vaovao amin’ny Facebook rehetra akory. Saro-bidy ilay fahafahana e! Izahay miteny eto aza, angaha raha tsy afaka, renareo mpihaino?
Fa toa sarintsarim-pafahana, hoy ny sasany, sadasada manan-tsoratra, hoy ny hafa, malalaka, hoy kosa ireo mahatsikaritra ny fahamaroan’ny orinasan-tserasera misy eto Madagasikara. Samy manana ny fahitany azy na ny mpitondra, na ny olom-pirenena, na ny mpanao politika, eny na ireo samy mpanao gazety aza… Ny tsy azo lavina kosa dia ny hoe: Indrobe ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety malagasy ny fampiasam-bola ataon’ny mpanao politika. Manangana haino vaky jery izy hivoizany fironan-kevitra. Lasa feon’ny tompony ilay orinasan-tserasera, voasakana ny mpanao gazety ao anatiny, fa miaro ny tompony indray aza no ataony. Akory atao? Indraindray koa, variana mampiady fironan-kevitra mifanohitra ny mpanao gazety, mampiady angely, hoy ny fiteny. Very hevitra ny sarambabem-bahoaka. An’iza ny marina, inona no hitsiny? Izao indray miampy ny saina voatr’olombelona, noho ny fivoaran’ny teknolojia. Fanina amin’ny tena zava-misy sy ny namboamboarina ny mpihaino, ny mpamaky, ny mpijery.
Fa miharihary eto amin’ny firenena ihany koa hatramin’izay niverenan’ny fahaleovan-tena ka hatramin’izao ny resaka valifaty politika, ary ampiasana ny asa fanaovan-gazety. Efa nisy teto ny fanakatonana eny hatramin’ny famotehana ny haino vaky jery noho ny tsy fitoviam-pijery politika, efa nisy koa ny nilanja vatam-patin-dRafahafahan’ny asa fanaovan-gazety teto, noho ny resaka politika ihany. An’ireo nanao azy moa ireny fihetsika ireny, fa asa moa raha efa nitsangan-ko velona indray Rafahafahana amin’izao na mbola any ambany rangolahin’ny fangejana. Tsy aritra mba niserana fotsiny iny… Fa endrika hafa hisehoan’ny tsy fahalalahana koa ity resaka fikatonan’ny loharanom-baovaom-panjakana ity. Hangatahana taratasy fahazoan-dalana any ambony hono ny fahafaha-manadihady tompon’andraikitra amin’ireny Ministera ireny indraindray. Dia ho izany tokoa ve? Tolona mbola mitohy mandraka ankehitriny ny fanaovana lalàna momba io fisokafan’ny loharanom-baovao amin’ny Fanjakana io.
Na ity resaka badge badge ity aza manahirana indraindray fa toa very lanja ny karatra maha-matihanin’ny mpanao gazety, ahafaha-mikaro-baovao amin’ireny hetsika samihafa karakarain’ny Fanjakana ireny. De hoy ny Arofanina hoe: Ahoana ny hahazoam-baovao tsy mitanila ao anatin’izany? Tsaraina avy eo fa mirona ny atsy e, manome vahana ny aroa e! Ny zava-misy tokoa manko an: rehefa mamoaka vaovao tsy mety amin’ny mpitondra dia lazaina fa mirona any amin’ny fanoherana ilay haino vaky jery. Toy izany koa ho an’ny mpanohitra, raha mamoaka vaovao tsy mety aminy ilay haino vaky jery dia lazaina fa manohana ny fitondrana. Tena asan’ny mpanao gazety nefa ny mitatitra ny vaovao misy sy marina tsy mitanila ka tokony halalaka izy ireo amin’izany. Malalaka koa anefa tsy midika hoe miteny izay tiany ho tenenina ny mpanao gazety, ka zary lasa mampisavorovoro ny saim-bahoaka. Samia manao ezaka e! Fa asa tokoa moa raha nahara-baovao isika fa toa nidina indray aza manko, araka ny tatitry ny Reporters Sans Frontière, ny laharan’i Madagasikara amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Ao raha! Koa samia mamisavisa, samia misaintsaina amin’izay tokony hatsaraina, mba ho to ilay fahalalahana, rahavavim-pahafahana!