Ny an-tsasaky ny faritra nisy ala taloha no efa simba tao anatin'ny 60 taona, ary 100.000 hektara isan-taona ny ala simba eto Madagasikara. Ahatsapana ny fahasimban'ny tontolo iainana ny tsy fahampian'ny rano hanondrahana sy hohanina. Ny olombelona no fototry ny fahasimban'ny tontolo iainana. Ny Ministeran'ny tontolo iainana dia nametraka vina mba hamaitso indray an'i Madagasikara...
Ny iraky ny vaomiera misahana ny pastoralin'ny fahasalamana isam-piangonana dia hoe : "Ny marary andriana sady andrianina, mampiseho ny fiahian'ny fiangonana amin'ny alalan'ny asa fanompoana sy ny fitiavana ny rahalahy sy anabavy marary, ny zokiolona, ao anatin'ny fahamendrehana." Ary ny nofinofy dia ny fahasambarana sy fahasalamana amin'ny taona rehetra, araka ny Vaovao Mahafaly.
Mandalo eo amin'ny fiainan'ny mpivady ny fahadisoam-panantenana. Ny fifampiresahana eo amin'ny mpivady miampy ny fandavantena sy ny fahatozoana no ahafahany mifankahery sy mifanohana amin'izany. Ny faharetana amin'izany no hampisy ny fahasambarana eo amin'ny fiainan'ny mpivady...
Ny fanabeazana ara-pananahana mari-pototra dia mahakasika ny ara-batana, ara-tsaina, ara-po, ara-panahy ary ara-piaraha-monina. Ny ray aman-dreny no tompon'antoka voalohany amin'izany mba tsy hanara-drenirano sy hihinana amam-bolony izay hita sy re ny tanora. Ny tanora dia entanina hifampiresaka amin'ny ray aman-dreny sy ny mpanabe...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco