Ho an'ny mpianakavy dia ilaina ny fifanampiana. Ny fifanampiana dia mampifanakaiky am-po ary manamafy ny fifankatiavana eo amin'ny ankohonana. Ny fifanampiana dia mampisy rafi-tsaina, izay mahatonga olona iray ho tompon'andraikitra, ho afaka hampiasa fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré.
Tokony mahay mifampikarakara, mahay mifanampy amin'ny zavatra, ilàna fifanampiana, ny rehetra na ireo mandrafitra ny fianakaviana na ny mpivady na ny fiaraha-monina. Raha ireo fepetra ireo no tanteraka dia hisy ny filaminana sy ny fahadiovana, izay misy fiatraikany amin'ny toe-tsaina sy ny toe-po. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Desiré Ramakavelo.
Nataon'Andriamanitra ho tsara indrindra amin'izay rehetra nohariny isika olombelona. Aoka tsy hosimbaina na holotoina na horavana izay hatsarana ao amintsika izay, dia ho hitantsika fa hihatsara sy handroso ary hivelatra ny fiainantsika.
Zava-dehibe no hahafantarantsika fa ao amintsika : Andriamanitra Ray, zanaka, ary Fanahy Masina. Andriamanitra Ray : amin'ny alalan'ny saina izay misy ny fahefana anaty. Ny zanaka ao amin'ny fo izay misy ny aina, izy mantsy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misaraka amin'izy ireo ny Fanahy Masina araka izay voalaza hoe "tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ny tenanareo". Fandaharana "mba ho vanona".
• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco