Ny hazon-damosina dia fitambaran'ireo taolana kely maro, mampijoro sy mampihetsika olona iray, mety hiisa 32 na 33 izy ireo. Misy karazany telo ny fivilanan'ny hazon-damosina : Ny voalohany "Scoliose" ilay mivilana miankavia sy miankavanana manao endrika "S" raha jerena avy atao aoriana ; ny faharoa "cyphose" ilay misy mibontsina na ilay atao hoe vokoka rehefa jerena mihorirana ;  ny fahatelo farany "lordose" ilay misy milempona ny faritry ny hazon-damosina matetika amin'ny faritry ny valahana.  Fambara : tsy mitovy ny alavan'ny tongotra, sahirana rehefa mandeha, tsy mifanitsy ny soroka, mitongilana ny loha...

Maro ny olona tratra ny "tsy fahampian-tsakafo" noho ny sondrom-bidim-piainana ; tsy ny zaza sy ny ankizy ihany no mety ho tratran'ity tranga ity fa ny olon-dehibe ihany koa. Ny sakafo ampy : ahitana foto-tsakafo, ahitana ihany koa ireo singa ilain'ny vatana toy ny prôteina, prôtida, gliosida, lipida, sira mineraly sy vitamina ; ireo notanisaina ireo dia azahoana hery fiarovana sy hery fanorenana. Sakafo ahitana ireo singa : hena, trondro, atody, ronono, voamaina, vary...  Ny karazana tsy fahampian-tsakafo : "Kwashiorkor" izany hoe ireo tsy ampy protide ka lasa mibinabina, fotsy hatsatra, tsy mavitrika, malaina misakafo, mivonto ny tongotra, tsy mitombo, be kibo, somary mena volo ; ny faharoa dia ny "Marasme" : ilay mahia, ireo noana lava... 

Ny 04 febroary no andro maneran-tany ho an'ny ady amin'ny homamiadana. Ny loha-hevitra amin'ity taona ity dia : "Ho fandraisana an-tanana mitovy, dia hatambatsika ny hery hiadiana amin'ny homamiadana". Ny homamiadana dia aretina vokatry ny fianaky ny sela izay lasa tsy ara-dalàna sy mitombo be loatra. Ny faritra rehetra amin'ny vatan'olombelona dia mety ho voan'ny homamiadana daholo, fa ny mateti-pitranga dia ny homamiadan'ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza ary ny "prostate". Fambara : Fivontosana, mihareraka, fanaintainana, mandeha ra ; tsy misy afatsy ny fanaovana fitiliana anefa no hamantarana ny tena zava-misy. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Fizaran-taona tsy maintsy misy ny fahavaratra isan-taona, misy foana ny tranga toy ny traboina sy ny aretina samihafa. Misy ireo aretina miseho rehefa fahavaratra ka isan'ireny : aretin-kibo vokatry ny fahalotoan'ny rano fampiasa sy fisotro ; eo koa ny areti-maso izay mora mifindra tokoa amin'ny alalan'ny fifampikasoana, aretina vokatry ny tsimok'aretina n'a otrik'aretina ; ny lagaly izay aretina mahazo ny hoditra vokatry ny loto ihany koa. Ho fisorohana ireny aretina rehetra ireny dia entanina ny rehetra mba hampiasa rano azo antoka, hanaja ny fahadiovana, ary hamonjy tobim-pahasalamana raha misy tranga tsy fahasalamana mampiahiahy...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...