♦ Miroso amin'ny famoahana ny tahirin-kazo nahazoana alalana talohan'ny janoary 2019, ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy. Marihina fa nisy ny naoty navoakan'ny ministera tompon'andraikitra tamin'ny taona 2019, nanapaka ny fitandrahana tamin'izany... ♦ Ny lolo dia biby ao anatin'ny fianakaviamben'ny "pieridae", efa 90 000 000 taona no nahitana azy, misy karazana lolo 160 000 maneran-tany... ♦ 05 jona 2021 : Fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana. Ny loha-hevitra tamin'ity taona ity : Fanarenana ny rohivoahary... 

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...