♦ Fiiloha Nasiônaly Tafo Miavo : Tatitra mikasika ny fiarovana ny arena voajanahary eto Madagasikara... ♦ Ny varika mena : miovaova araka ny faritra ny anarana iantsoana azy ; tonkona, barimaso, tongo, alomena, soamiera, kiririoka... ♦ Fifaninanana  Equator Prize 2020, andiany faha-11 :  Tamia Antsirabe no nahazo ny laharana faharoa tamin'ireo vondron'olona ifotony miisa 600 amin'ny firenena 120... 

Ny fikambanana "ecovilllage de madagascar" dia mivohy ny tetikasa fambolena lovain-jafy. Fikambanana niorina tamin'ny taona 2014, misehatra amin'ny fampiofanana marolafy, fiankaviana 18 ankehitriny no mandrafitra azy. Sotoavina iainan'ny fikambanana: Fanajana ny tontolo iainana (tany...), fanajana ny maha-olona, fahaizana mizara. Tanjona : Fahavitan-tena ara-tsakafo miitatra amin'ny ara-toekarena sy ny fahasalamana...

♦ Ny tetikasa Kobaby : Tetikasa iarahana amin'ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, tontosaina any amin'ny Faritra Diana, fiaraha-misa amin'ny AFD. Tetikasa mahakasika sehampiharina miisa dimy : Ny varimanitra, Ny tantely (an-tanety sy an'ala honko), ny fihariana voankazo, ny Jono maharitra ary ny fizahan-tany ifotony.   ♦ Ny trandraka: biby mampinono, misy miantso azy hoe "tandraka" na " Kelora", biby miavaka satria tsy manana rambo, mirefy 145 hatramin'ny 328mm. ♦  Bolabolanà andramena miisa 87, no tratra tao amin'ny distrika Amparafaravola... 

Mirongatra ny doro tanety sy ny doro ala amin'ny faritra maro eto amintsika, misy fiatraikany ratsy raha tsy hiteny afatsy ny fahaloton'ny rivotra. Ny taona 2018 sy ny 2019 no tena nirongatra ny doro tanety sy doro ala fa tamin'ity taona 2020 ity dia nihena ireo famaizana. Politika nasiônaly: fanabeazana sy fametrahana lalàna...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...