Ny an-tsasaky ny faritra nisy ala taloha no efa simba tao anatin'ny 60 taona, ary 100.000 hektara isan-taona ny ala simba eto Madagasikara. Ahatsapana ny fahasimban'ny tontolo iainana ny tsy fahampian'ny rano hanondrahana sy hohanina. Ny olombelona no fototry ny fahasimban'ny tontolo iainana. Ny Ministeran'ny tontolo iainana dia nametraka vina mba hamaitso indray an'i Madagasikara... 

Manana ny anjara andraikiny ny tsirairay ho fiarovana ny tontolo iainana toa ny asa fikarohana sy fampiharana ataon'i Papa Bio sy Jeneraly Rabemanantsoa, mikasika ny fambolena mifototra amin'ny kasinga ara-boajanahary.

hampahafantarina ny olona ireo karazan-javatra mety arehitra sy hasolo ny kitay na ny arina fandrehitra. Haparitaka ny fatana mitsitsy sy mampiasa ny herin'ny masoandro.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...