Ny maha zava-dehibe ny fikarohana mikasika ny fiaraha-monina sy ny maha olona manoloana ny zava-misy ankehitriny dia ny Covid-19. Koa satria ny fiaraha-monina dia miatrika fiovana amin'ny lafim-piainana maro, sy amin'ny sehatra maro, noho izany manana adidy hanampy azy ny mpikaroka...
Vehivavy mahery, miatrika ny vanim-potoana ankehitriny. Ny atao hoe vehivavy mahery dia vehivavy mahafantatra ny tenany, mankafia ny tenany ary tsara fifandraisana amin’ny hafa. Miteraka voka-tsoa ho azy sy ho an’ny manodidina azy izany…
Ny herisetra miankina amin'ny fahasalamana dia ireo karazana fampijaliana rehetra avy amin'ny fiteny, ny fihetsika ary ny fitondran-tena mahatonga fahavoazana sy fangirifiriana ara-batana, ara-pananahana, ara-tsaina, ara-panahy, misy ifandraisany amin'ny fahasalamana. Tsy maintsy mifampitsinjo ny isan-tsokajiny raha tsy izany dia mifampanao herisetra sy mifamono mivantana na ankolaka eto isika rehetra...
Amin'ny zava-tsarotra lalovan'ny fiainan'ny mpivady dia ny fifankaherezana sy fifanohanana no lalana tsara indrindra hiatrehana an'ireny sedra samihafa ireny...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco