Ny fihariana nomerika dia ilàna fahafantarana zavatra maro. Tsy azo lavina intsony fa ny andavanandrom-piainan'ny malagasy dia tsy afaka misaraka amin'ny aterineto. Tsara arak'izany raha mianatra mifehy ireny fitaovana ireny mba hirosoana anatin'ny tontolo mivoatra hatrany. Fandaharana "miaina sy mitia", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fifamenoana eo amin'ny ray sy ny reny dia ao anatin'ny fitsipiky ny fiainana. Maro ny sehatra hifamenoin'ny mpivady : eo amin'ny lafiny fivelomana andavanandro, fiahiana ny fiainan-tokantrano, ny fitaizana sy fanabeazana ny zanaka. Mba hatsara ny fiainan'ny mpivady dia ilaina ny fifanabeazana sy ny famaritana soatoavina iombonana ary ny lafiny ara-pinoana. Mivelatra ny fifamenoin'ny mpivady, indrindra ny fifandraisana amin'ny mpiara-monina, ny fananganana tetik'asan'ny fianakaviana...

Nahoana no mila mitandrina ny ray aman-dreny amin'ny fiatraikan'ny finday na fahitalavitra amin'ny zaza madinika?. Manoloana ny fanatontoloana sy ny vanim-potoanan'ny teknolojia vaovao dia maro ny ankizy mampiasa finday aloha loatra, sy matetika mijery fahitalavitra maharitra. Ny anton'izany dia noho ny fisarihan'ny namana sy noho ny fahasahiranan'ny ray aman-dreny. Ny vokatr'izany dia tsy ampy ny fotoana hifandraisan'ny ankohonana, eo koa ny ara-pahasalaman'ny saina sy ny fiankinan-doha...

Mila fohazina sy kolokoloina ny voady nifanaovana mba ho tanteraka. Ny tenin'i Jesoa Mt 5, 48 "Koa aoka ho lavorary hianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra. Ilana fiomanana ny fiainana ny antso ho an'ny fianakaviana : Fantarina ny tena sy ny olona manodidina izany hoe ny tena manokana, ny fianakaviany sy ny fombany, ny lala-nodiaviny, ny toe-batany, ny toe-tsainy. Ny fanorenana fianakaviana dia ilana vavolombelona anefa fadiana ny mamitaka an'Andriamanitra. Rehefa vita ny voady dia miezaka miaina ny "fenitra volamena '" : miserasera, miaina mari-pitiavana, mivavaka, ary farany miara-dalana amin'ny fiangonana. Ny MA.MI eny Ambohipo dia manao tantsoroka amin'ny fikolokoloina ny fiainan'ny mpivady...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...