Maro ny fanamby atrehan'ny fiaraha-monina malagasy ankehitriny, izay miantso ny tsirairay sy ireo fiaraha-monina ifotony hanadihady sy hitondra vahaolana maharitra mamaly ireny. Ny tsirairay miaraka amin'ny mpiara-belona aminy dia afaka mamantatra tsara sy manadihady ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainany mba hihavaozany sy handraisany anjara amin'ny fanavaozany ny fiaraha-monina misy azy. Miantraika amin'ny fampandrosoana manontolo ny fikarohana rehefa ny tsirairay sy ny mpiara-belona no tia mikaroka mba hitondra vahaolana maharitra azony... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Rehefa tsapan'ny vahoaka tsirairay ao anatin'ny firenena iray fa azy ny fireneny dia miezaka izy manao ny anjara tandrify azy hahatsara azy, hahasoa azy, na dia hamoizany ny ainy aza. Tsy manana fahamendrehana ny olona tsy misy tanindrazana, tsy misy faneva, tsy fantatra avy aiza. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Miaina andram-piainana fihetseham-po miovaova sy mahery vaika ny zatovo. Zava-dehibe ny fahaizana mitantana ny fihetseham-po. Mety hitarika fahavoazana ny tsy fahaizana mitantana azy, ary manampy amin'ny lafim-piainana maro ny fifehezana azy. Ahafahana manana fomba fijery miabo sy mandray fanapahan-kevitra tsara ny fahaizana mitantana ny fihetseham-po...

Andao isika hiombom-po, saina, fanahy miaraka amin'ny renim-pianakaviana mijaly noho ny aretina. Ny vehivavy renim-pianakaviana ka valaky ny aretina dia mijaly ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Mila fanohanana koa ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy izy ireny avy amin'ny ankohonana, ny fianakavina, ny fiaraha-monina indrindra ny mpiasan'ny fahasalamana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...