Ny fifampitokisana dia fototry ny fifankatiavana ary fomba iray afahana miala amin'ny fahasarotapiaro. Ny olona tia dia olona tokony hiaina ny fahamarinana ihany koa. Ho fampandrosoana ny firenena dia mila mifampatoky sy firaisan-tsaina ny vahoaka sy ny mpitondra ; ialàna ny fifanenjehana sy ny fifanaratsiana. Isika Malagasy ihany no afaka hikaroka vahaolana amin'ny raharaham-pirenena fa raha ireo vondrona na fikambanana avy any ivelany dia mihonona amin'ny tombontsoany. Ny fanamarihana ny 29 marsa dia tokony hampitamberina ao am-po sy an-tsaina ny tena fitiavan-tanindrazana marina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 ôktôbra 2026

• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...