Ankatoky ny fetin'ny ray isika ; firariantsoa no atao ho azy ireny, mba ho toy ny hazo hamoa voatsara hitondra fiainana. Hirariana ho toy izany ny lehilahy rehetra, raim-pianakaviana. Adidy lehibe no iandraiketan'ny raim-pianakaviana ka mila fankaherezana sy fitiavana izy ireny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Anjaran'ny olom-pirenena no manomana ny ho aviny, azy ny safidy ary izy no tompon'andraikitra amin'izay mety ho voakatry ny safidiny. Herisetra ny fanerena ny olona amin'ny safidiny amin'ny alalan'ny fanomezana isan-karazany, indrindra raha vao miteraka fahavoazana ho an'ireo hiarany. Ny mamaritra ny ho avin'ny tsirairay dia mifototra amin'ny safidy hatrany, amin'ny sehatra rehetra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024, zo sy adidy ny mifidy. Raha olom-pirenena manana kara-panondro ianao dia mandehana manatanteraka ny adidy sy andraikitra amin'ny fampandehanana ny firenentsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ity taona ity, zo sy adidy ny mifidy. Ny safidy dia zava-dehibe ary fototry ny ho avy koa samia miezaka ho tony sy hisaina tsara izay mety hampandrosoana ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco