Isan'ireo sakafo mahavelona sy ara-pahasalamana ahitàna otrikaina sy mineraly betsaka araka ny voka-pikarohana natao ny "anantsinahy, anapatsa, anamamy-dia, ny angivy" sy ny sisa, sokajiana ho legioma-dia na legioma nentim-paharazana. Ahiana ho lany tamingana anefa izy ireny. Notrandrahana sy nomena lanja manokana ny fambolena azy ireny tamin'ny alalan'ilay tetik'asa DARWIN Initiative, tetik'asa mandritra ny telo taona hifarana amin'ny volana marsa 2022.

Nahomby ny tetik'asa amin'ny ankapobeny. Nanatsara ny fidiram-bolan'ireo vehivavy tantsaha any amin'ny faritra Vakinankaratra sy Itasy ny tetik'asa fampiroboroboana ny voly legioma nentim-paharazana. Misokatra ny lalam-barotra. Efa mirona mividy azy ankehitriny ny mpanjifa. Manatombo noho ny legioma novolena hatramin'izay ny vidin'ny legioma nentim-paharazana. Vehivavy tantsaha miisa 200 ao amin'ireo faritra iasan'ny tetik'asa DARWIN Initiative no nofanina hitahiry ny ambioka sy hamokatra ny legioma nentim-paharazana mba hatao sakafo sy hamidy.

Hanamafisana ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara sy dingana iray hahatongavana amin'ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanatanterahana ny tetik'asa. Mamatsy vola ny tetik'asa moa ny DARWIN Initiative Fiaraha-miasa eo amin'ny fanjakàna malagasy, amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Foibem-pirenena momba ny Fikarohana ampiharina amin'ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra na ny FOFIFA, ny Oniversite Antananarivo amin'ny alalan'ny sampam-piofanana Siansa miaraka amin'ny Fanjakàna Britanika amin'ny alalan'ny Foibe eran-tany momba ny zava-maniry na ny World Vegetable Center, no mandrindra ny tetik'asa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...