Ho fantatra amin'ity volona oktobra ity ny vina manokana ho an'ny toetr'andro momba ny taom-pambolena hoy ny teo anivon'ny fitantanana ankapoben'ny Météo Madagasikara. Ampanangonana ny vaovao ahafahana mamoaka fehin-kevitra momba izany ny teknisiana...

Fitaovana manampy ny tantsaha amin'ny fitantanana ny famokarana ny vina manokana ho an'ny toetr'andro. Amin'ny alalan'izany mantsy no ahafahana manomboka ny taom-pambolena ho azy ireo.

Nohamafisin'ny tale misahana ny fampiharana ny famantarana ny toetr'andro Kotomangazafy Steffason François fa ny fiakara'ny maripana no antony voalohany mahatonga ny fahataran'ny rotsak'orana na ny tsy fisian'izany. Tokony handray ny andraikitra manandrify azy ny tsirairay amin'ny fiarovana ny tontolo iainana.

Nanatsara ny paik'ady, hanentanana ny mpamokatra eny ambanivohitra sy ireo tanora miofana amin'ny seha-pamokarana momba ny fiovan'ny toetry ny andro noho izany ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny foibem-pitantanan'ny Météo Madagasikara ary ny governemanta alemana amin'ny alalan'ny GIZ...

Misy ny fitaovana ahafahana manatanteraka izany, ahitàna ny torolalana ampiasan'ny mpanentana, ny fitaovana hampitàna ny hafatra ho an'ireo tantsaha sy tanora misehatra amin'ny famokarana, miampy fitaovana ahafahana manamafy ny hafatra aorian'ny fanentanana.

Ny ahafahana mampitombo ny fahalalana sy ny tokony hatao hiatrehan'ny mpamokatra eny ifotony ny fiovan'ny toetr'andro eo amin'ny seha-pihariany no tanjona kendrena amin'ireto fitaovana ireto hoy Ramatoa Rahariniaina Fanja, avy ao amin'ny ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana.

[Miara-dàlana] Zoma 7 febroary 2025

• Nanatanteraka fambolen-kazo ny Diôsezin'i Port-Bergé, tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo... • Natokana hiaraha-mankalaza ny taon-jobilin'ny mpitandro ny filaminana, sy ireo mpanakanto ary ny diakra, ity volana febroary... • Mizara ny finoany Ilay Andriamanitra mahavita zava-mahagaga i Masina Maria, hoy ny fampianaran'ny Papa, nandritra ny Audience Générale ny alarobia 5 febraory 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...