Nanampy totraka ny fahasahiranana efa iainan'ny tantsaha mpamokatra eny ambanivohitra ny vokatry ny Covid-19 sy ny fihibohana tamin'ity araka ny fehin-kevitra nivoitra nandritra ny Diniky ny mpamokatra nokarakarain'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly...

♦ Miankina betsaka amin'izay vokariny eny ambanivohitra ny fiainanan'ny tantsaha ka isan'ny antony tena mampaharefo azy izany. Mbola olana nosedraina ihany koa anefa ny fihenan'ny rotsak'orana sy ny fahatarany, izay azo ianteherana amin'ny fambolena, ny firongatry ny asan-dahalo sy ny malaso...

 

♦ Na teo aza ny valan'aretina sy ny fiatraikany, mitohy ny sehatr'asa eny ambanivohitra sy ny famaritana ny drafitra hampandrosoa izany. Natsangana tamin'ity volana desambra ity ihany koa ny vovonam-pirenena hiadian-kevitra momba ny lalam-pihariana akoho gasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...