Misitraka fiofanana hoan’ny mpampiofana mpampitombo amin’ny famokarana biolojika amin’ny alalan’ilay tetik’asa KCOA-KHEA ireo mpikamban’ny Filamatra Soa Iombona na ny FISOI sy ny SOAMITSINJO ato amin’ny faritra Analamanga. Fihofanana nandritra ny dimy andro natao tao amin’ny Foibe SAF FJKM na ny FOFIFAKRI Isoavina Ambanitsena distrikan’i Manjakandriana ny volana Mars 2024....

 

Tantsaha mpitarika sy ireo tompon’andraikitra amin’ny orinasa efa misehatra amin’ny fambolena biolojika ireo mpampiofana mpampitombo nofanina ireo. Ivon-toerana Fifanakalozana amin’ny famokarana miaro ny tontolo iainana na ny Agro écologie sy ny fambolena biolojika aty amin’ny faritra Afrika Atsinanana ny KCOA-KHEA.

Vatsian’ny BMZ/GIZ vola ny tetik’asa ary mandrindra ny tetik’asa kosa ny vondron’ireo mpampihatra ny famokarana miaro ny tontolo iainana eto Madagasikara na ny GSDM sy ny Sendika Malagasy amin’ny fambolena Biolojika na ny SYMABIO. Mpiara-miombon’antoka ny Réseau SOA izay tohanan’ny FFF FAO. Fiofanana fifanakaloazana momba ny fambolena bilojika no natao, ka lohahevitra miisa 4 no resahana nandritra ny dimy andro.

Misy asa efatra lehibe kosa ao anatin’ny tetik’asa ka tafiditra amin’ny asa faharoa ny fampiofanana atao. Ireo mpampiofana mpampitombo nofanina ireo indray no hampiofana ny tantsaha hafa hoy Andriamatoa Tovohery RAMAHAIMANDIMBISOA, mpitarika ny tetik’asa eto Madagasikara. Nanomboka ny taona 2022 ny tetik’asa KCOA-KHEA ary nampiharina teto Madagasikara tamin’ny taona 2023. Ny faritra atsinanana no nisantatra azy voalohany ary mbola hihitatra amin’ny faritra maro eto amin’ny nosy.

[Miara-dàlana] Zoma 7 febroary 2025

• Nanatanteraka fambolen-kazo ny Diôsezin'i Port-Bergé, tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo... • Natokana hiaraha-mankalaza ny taon-jobilin'ny mpitandro ny filaminana, sy ireo mpanakanto ary ny diakra, ity volana febroary... • Mizara ny finoany Ilay Andriamanitra mahavita zava-mahagaga i Masina Maria, hoy ny fampianaran'ny Papa, nandritra ny Audience Générale ny alarobia 5 febraory 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...