Masomboly voafantina na nohatsaraina, maro ireo fikambanana no mamokatra azy. Isan'izany ry zareo ao amin'ny Malagasy Mpamokatra Masomboly na ny F3M. Na dia mbola tsy ampy amin'ny habetsahany aza ny masomboly voamarina eto Madagasikara, efa mirona amin'ny fampiasana azy ny tantsaha ankehitriny hoy ny filohan'ny F3M, Rakotoarison Justin.

Mbola ambany ny tahan'ny tantsaha mpamoka-bary mampiasa ny masomboly nohatsaraina eto Madagasikara. Tsy misy afatsy ny 1,3% amin'ny tanimbary voatondraka ihany mantsy no nampiasàna ny masomboly nohatsaraina araka ny fanadihadiana tamin'ny taona 2005.

Efa nivoatra anefa izay tarehimarika izay amin'izao fotoana noho ny fanentanana samihafa atao amin'ny mpamokatra sy ny fisian'ny tetik'asa samihafa manatsara ny fambolem-bary eto Madagasikara. Isan'ny antony mampihisatra ny fitomboan'ny voka-bary eto Madagasikara io taha ambany amin'ny fampiasàna masomboly io. Miaina olana samihafa koa anefa ireo tantsaha mpamokatra masomboly.

Mampitombo ny vokatra isaky ny hektara sy ny voka-bary hatrany amin'ny 10% farafahakeliny ny fampiasàna ny masomboly nohatsaraina, tsy misy afatsy 5% hatramin'ny 10% amin'ny fandaniana amin'ny hanam-pamokarana. Tokony iaraha-mamaha ny olan'ny famokarana masomboly hoy ny tantsaha mpomokatra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...