Mamelona fianakaviana maro eto Madagasikara ny seha-pihariana jono indrindra fa ny jono an-dranomasina saingy tandindomin-doza vokatry ny fanapotehana ny tontolo iainana indrindra fa ny doro tanety. Mamelona malagasy 1.500.000 isa io sehatra io. Ny 80% amin'ny vokatry ny jono dia avy amin'ny jono nentim-paharazana avokoa na an-dranomsina na an-dranomamy...

Mitentina 750 tapitrisa dolara ny harena vokarin'ny jono eto Madagasikara isan-taona, miantoka ny 7% amin'ny vokatra anatin'ny ankapoben'ny Firenena "PIB".

Manao izay ho afany mampiroborobo ny jono ny fikambanana maro mijoro, atosiky ny Fanjakàna amin'ny alalan'ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga, saingy efa mihatraika amin'ny sehatr'asan'ireo mpanjono madinika ny fanimbana tontolo iainana indrindra fa ho an'ny jono an-dranomasina. Miantoka ny 10% amin'ny fanondranan'entana eto Madagasikara araka ny antontan'isan'ny Banky Iraisam-pirenena.

Tandindomin-doza koa ny fiveloman'ireo mpanjono madinika mampiasa ny farihy ivelomana eto Madagasikara manoloana ny fanimbana ny tontolo iainana sy ny fitombon'ny filàn'ny malagasy ara-tsakafo sy ny fahateren'ny tany hamokarana.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...