Tambazotra FARMADA: Hatao manara-penitra ny fihofanana andrasaisan’ny daholobe anjara na ny “formation de masse” Miroso amin’ny dingana fanaraham-penitra ny fiofanana ny tambazotran’ireo mpampiofana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny FARMADA. Namory an’ireo avy amin’ny ministera voakasika, ny avy amin’ny antenimieram-pirenena, ireo mpanapa-kevitra momba ny politika fampandrosoana ny eny ambanivohitra ary ny avy amin’ny ny vodrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, dia ny ben’ny tanàna, izy ireo ny 07 Septambra 2024....

Ny ahafahana mampitovy fomba fijery amin’ny dingan’asa samihafa entina manatanteraka ny paik’ady iombonana momba ny fanofanana hoan’ny daholobe na ny formation de masse no tanjona nokendrena. Dingana fahatelo nataon’ny FARMADA ity fihaonana natao teny amin’ny Le Pavé Antaninarenina ity taorian’ny atrik’asa in-droa miantona nandraisain’ireo mpikambana anjara nanangonana ny hevitra avy amin’izy ireo hanatsaràna ity fihofanana andraisan’ny olona maro anjara ity.


Irariana hoy ny filoha lefitry ny FARMADA Serge MERISON ny hivadihan’ny fikaonandoha ho asa mivaingana sy drafitr’asa ary eo ambany fitantanana sy fandrindran’ny fiadidian’ny primatiora. Tapaka nandritra ny fihaonana fa ho raisina isaky ny zava-misy isaky ny ministera tsirairay avy ny paikady napetraka, ary eo anivon’ny primatiora no hametrahana ny fandrindrana mba hampitovy lenta ny ministera tsirairay avy.

Mitovy ny fomba fijery amin’ny hametrahana ny fihofanana amin’ny toerana tokony hisy azy hoy kosa ny filohan’ny vaomieran’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra eny amin’ny antenimieram-pirenena ny depioté RAZAFINDRABARY Richard. “Zava-dehibe ny fihofanana ahafahana mampihitatra ny fahaizamanaon’ny tantsaha. Ny zavatra hita fotsiny amin’ny tontolo ambanivohitra dia lasa betsaka loatra ny fihofanana mampiofana amin’ny fiompiana akoho, kisoa... Tsara ireny fa ilaina ny kalitao amin’ny fihofanana atolotra ny tantsaha’’, hoy hatrany ny solombavam-bahoaka RAZAFINDRABARY Richard.

 

[Miara-dàlana] Zoma 20 septambra 2024

♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...