Misehatra amin'ny famokarana vary manitra ireo tantsaha kaoperativa Vary Manitra Diégo II na ny KOVAMADI-II, ao Anivorano Avaratra Antsiranana-II. Miroborobo ny famokarana noho ny fampiofanana nokarakarain'ny Réseau SOA ho azy ireo.

Afaka mamokatra vary manitra hatrany amin'ny 200 taonina ny kaoperativa KOVAMADI-II amin'ity taom-pamokarana ity hoy ny filohany Andriamatoa Tombozara Patrice. Miisa 300 ny isan'ny mpikambana ankehitriny ka fanambin'izy ireo ny hamokatra 400 taonina amin'ny taom-pamokarana manaraka.

Mbola ambany aloha ny tahan'ny vokatra miakatra. Manodidina ny 3 taonina isaky ny hektara izany saingy azo hatsaraina hatrany amin'ny 4 na 5 taonina isaky ny hektara izany hoy Andriamatoa Tombozara Patrice. Tian'ny olona ny vary manitra saingy mikaroka lalam-borotra hafa hatrany izy ireo handefasana ny vokatra eo am-pelan-tanan'izy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...