Firenena isan’ny voalaza ho mandripaka ala be indrindra maneran-tany i Madagasikara. Hatramin’ny taona 2050 raha tsy voafehy izay fandripahana ala izany dia tsy hisy intsony ny ala voajanahary eto amintsika. Loza mananontanona ho an’ny fambolena eto amintsika. Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara, 40.000 Ha isan-taona hatramin’ny taona 2023, ny Fandaharan’asa miady amin’ny fikahoan’ny riaka ny nofon-tany andiany faha-5 na ny PLAE V.

0 : 00

Miantoka ny fampandrosoana maharitra eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny ala. Fanamby kendrena amin’ny PLAE V àry ny fandrakofana ala amin’ny faritra telo eto amin’ny Nosy dia ny any Boeny, Betsiboka ary Diana. Kaominina enina amin’ireo faritra ireo no misitraka ny fandaharan’asa. Natao teto Antananarivo ny 20 febroary 2020 ny atrik’asa teknika ho fanombohana ny PLAE V. Fandaharan’asa tsy hifarana raha tsy ny taona 2023.

Mamaly ny tanjona kendren’i Madagasikara hamerina indray ala 4 tapitrisa hektara tafiditra amin’ny lasitra momba ny ezaka andrakofana indray zava-maniry sy ala ny tontolon’ny faritra iray aty Afrika na ny AFR100 ny PLAE andiany fahadimy. Fanapahan-kevitr’i Afrika natomboka ny taona 2015 ka tanjona iraisana ho an’i Afrika ny andrakofana indray ala 100 tapitrisa hektara hatramin’ny taona 2030.

Ezaka goavana tsy maintsy ikatsaha-bahaolana hampiroboroboana ny fambolena eto Madagasikara ny fikahoan’ny riaka ny nofon-tany. Ny doro ala sy doro tanety ary ny fandripahana ny ala no antony iray lehibe mahatonga izany. Manampy trotraka ihany koa ny fitomboan’isan’ny mponina izay mampitombo ny fampiasana ala. Ny 80 isan-jaton’ny tokantrano eto Madagasikara no mampiasa ny hazo mba hatao angovo hahandroan-tsakafo.

Tsy maintsy atao ny fandrindrana ny ala mba ahafahana miaro ny nofon-tany tsy hokaon’ny riaka, mba ahafahana mampiasa ny tany ho loharanon-karena ara-pamokarana. Ho fintantanana sahan-driaka amin’ny alalan’ny ady atao amin’ny fikaohan’ny riaka ny nofon-tany sy ny fitanana maharitra ny ala no iasan’ny tanjon'ny PLAE V. Fandaharan’asa iarahan’ny Governemanta Malagasy sy ny Governemanta any Allemagne manatanteraka amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa alemà na ny Coopération allemande.

Sahanina manokana amin’ny PLAE V hoy ny mpandrindram-pirenen’ny fandaharan’asa Ramatoa Voninavoko Marie Clementine ny famokarana ala ho an’ny kaominina, ny fanaovana ala famokarana fambolen-kazo ho an’ny olon-tsotra, ny fanaovana ala vadimboly amin’ny toerana midadasika. Mampiavaka ny andiany fahadimy koa ny fijerena ny toeram-piraofana maharitra ho an'ny omby amin’ny toerana midadasika. Tsy ambanin-javatra ihany koa nefa ny fiantohana ny fananan-tany ho an’ny tantsaha amin’ireo kaominina iasana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...