Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny voka-barin'i Jeneraly Rabemanantsoa Rober tamin'ny fampiasana azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro, liana amin'ny voly vary...

Honahona tany am-piandohana no nofolahany ho lasa tanimbary ka nampiaiky ireo izay nahita azy ny voka-bariny eny amin'ny distrika Antananarivo-Atsimondrano iny. Vao mainka valalanina ihany koa ny tantsaha manodidina raha nahita ny voka-bariny tamin'ity taona ity na teo aza ny olana ara-drano nahazo an'Antananarivo-Atsimondrano, distrika tena nitondra faisana tamin'ny tsy fisian'ny rano nentiny nanondrahana ny tanimbary noho ny fahataran'ny rotsak'orana teto Analamanga.

Noporofoin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert fa tsy ny fiovan'ny toetr'andro akory no ho sakana sy olana tsy hamokarana, fa ilaina dia ilaina ny saina tia karokaroka hamolahana ny haitaom-pamokarana mba afahana mahazo vokatra tsara. Nampihariny ny fikarohana noketrehany dia ny "ketsa saraka". Teknika azony an-tsaina noho ny fiaraha-miasa sy ny fifampiresahana tamin'i Mompera Henry de Laulanier, saingy nohatsaraina taty aoriana, ary nampihariny tamin'ny taom-pambolena teo.

15 taonina/ha ny voka-barin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ny taom-pambolena voalohany. Ny volana novambra no nanetsa izy ka ny "ketsa saraka" no nampiasainy. Notondrahana ny vary voaketsa mandra-pirotsaky ny orana, ka nahakely finoana ireo mpitazana ny mety ho fahombiazan'izany. Tsy izay nefa no zava-nitranga fa nahavokatra ny "ketsa saraka" nampihariny. Mifanindran-dalana amin'ny fahalalana momba ny fiainan'ny vary ity "ketsa saraka" ity hoy Papa Bio na Ranaivoarisoa Basile. Mila mahafantatra izay fiainan'ny vary izay ny tantsaha raha te hampitombo ny voka-bary. Olana mbola mila vahana eto amintsika.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...