Ny zaza voaloboka dia fiforonana vohoka tsy ho ary, noho ny tsy fahatomombanan'ny fitsaihina izany hoe tsy araka ny tokony ho izy ny fihaonan'ny atodinaina vavy sy ny atodinaina lahy. Misy karazany roa ny tranga "zaza voaloboka" : voalohany, mety ho ny atodinainay vavy no tsy tomombana " môle hydatiforme complète " ;  faharoa ny atodinainay lahy no tsy tomombana "môle hydatiforme partielle"... 

Mety ahazo ny vehivevy rehetra io fa misy ihany ireo mora hiarany dia : ireo mitondra vohoka aloha loatra, latsaky ny 15 taona, na ireo tara vao mitondra vohoka, maherin'ny 40 taona ; ireo avy nanao zaza an-tsosokoditra, ireo afa-jaza matetika, ireo tsy ampy vitamina "A". Ny fambara : 40% tsy fantatra raha tsy feno 10 herinandro ny vohoka ; ny 60% dia ahitana fambara ka mety ho sarotiny be ilay vehivavy, malemilemy, mandoa, hatsatra, mahia, marary ny andovania, tsy mifanaraka amin'ny fivoaran'ny vohoka ara-dalana ny refin'ny kibo izany hoe indraindray mihoatra ny refy, fotoana hafa aorian'izay mihena indray, miovaova tanteraka.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...