Ny kankana na atodi-kankana resahina eto dia ireo atodi-kankana tsy hitan'n maso, tafiditra ao amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny sakafo hohanina na amin'ny alalan'ny maso-koditra... Taona maromaro ny fivoarany sy ny fikisahan'ny atodin-kankana ho any amin'ny atidoha. Ireo karazana kankana telo mety hanafika ny atidoha : Voavary (cysticerque) avy amin'ny kisoa, bilharziose avy amin'ny rano maloto, toxoplasmose avy amin'ny tai-tsaka... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.