Ny 14 novambra no andro maneran-tany ho an'ny Diabeta, izay tsy aretina fa toe-batana. Ny fihinana fanafody na tsindrona dia natao mba handaminana ny toe-batana fa tsy fitsaboana. Ny diabeta dia fiakaran'ny tahan'ny siramamy ao anatin'ny ran'ny olona noho ny tsy fahampian'ny "insuline" vokarin'ny sarak'aty na ny sela ao anatin'ny vatan'ilay olona mihitsy no tsy mahavita mampiasa ny siramamy... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.