Atao hoe mahia ny olona iray rehefa tsy mifandanja ny halavany sy ny lanjany. Raha tojo fihenana tampoka na fahiazana dia tokony karohina ny antony nahatonga izany satria mety ho aretina na olona ara-pahasalamana hafa. Ny antony : tsy fahampian-tsakafo sy ny kalitaon-tsakafo tsy mifanaraka amin'ny filàn'ny vatana (glucide, protide, lipide, Vitamina A - D - E - K). Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.