Ny "infections urinaires" dia aretin'ny taova mpanivana sy mpanangona ary ny fantsona mpamoaka ny amany eo amin'ny olona iray. Ny olona salama dia tsy tokony hatsapa mangirifiry na mangididy rehefa mamany. Ity aretina ity dia mety hakasika ny voa sy ireo fantsona mampifandray io taova io amin'ny fantson'amany. Ny vehivavy no tena maro tratran'ity aretina ity noho ny taova fantsona ivoahan'ny amany sy ny lalan-jaza, ary ny lava-body, mifanakaiky loatra... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...