Mbola maro ny olona tsy vita vaksiny amin'ireo karazam-baksiny maro. Madagasikara dia ao anatin'ireo firenena miisa 10, maro zaza tsy vita vaksiny, indrindra ny zaza latsaky ny 5 taona. Manoloana ny tsaho mikasika ny vaksiny dia manana adidy amin'ny fanazavana mikasika izany ireo tompon'andraikitra sy izay rehetra mahafantatra. Ny vaksiny misy eto Madagasikara dia afahana misoroka aretina miisa 11. Ny vaksiny dia manampy ny hery fiarovana manampy ny vatana hiady amin'ny aretina maro samihafa. Ny olona tratry ny aretina anefa nanao vaksiny dia manana hery hanohitra ilay tsy fahasalamana anatin'ny fotoana fohy... 

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 desambra 2024

  • Hisokatra ho an'ny olon-drehetra manomboka ny 26 desambra 2024, ny fiofanana mikasika ny “Accompagnement spirituel” sy ny “Discernement spirituel”, karakarain'ny Fikambanan'ny Masera Cénacle eto Madagasikara...
  • Mbola ao anatin'ny fankalazana ny faha-150 nahaterahan'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ny Fikambanan'i Karmely eto Madagasikara ankehitriny. Noho izany, mikarakara lalao fifaninana ny fikambanana...
  • Nihaona tamin'ireo olom-boatokana tany Corse ny Papa François ny alahady 15 desambra 2024, nandritra ny fitsidihana nataony tany...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...