Ny Bibaka an-tenda na "goître" dia fivontosana amin'ny faritry ny tenda izay fivontosan'ny tiroida. Io tranga io dia mety ho toe-javatra mihelina tsy ilàna fitsaboana, na mety ho fambara amin'ny olana hafa mikasika ny tiroida, mety ho lehibe ka ilàna fandidiana. Ny bibaka an-tenda dia vokatry ny tsy fahampian'ny "iode" na efa tarazo, mety ho vokatry ny fifohana sigara, na raritsaina be loatra...  Ny hôrmônina vokarin'ny taova tiroida dia ilaina amin'ny fiasan'ny : fo, atidoha, hozatra, taovam-pandevonan-kanina...  Fambara : taitaitra, kizitina, mikorontana ny torimaso, mangovitra ny tanana, misakafo tsara fa mihamahia, midobodoboka be ny fo, tsemboka lava, manana olana @ taovam-pisefoana...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...